Sary Hetsika VOANTSINAPY 2013
Teny @ Coliseum Antsonjombe
Sary Ravo.Madagascar ny sabotsy 15 Jona 2013
Lahatsoratra fifiav « Gazety Fafana »
Gazetin'ny FJKM Ankadifotsy
Le Logo de notre Eglise
Notre Eglise, son clocher
Hetsika ho an'ny Ankizy nokarakarain'ny Fikambanana Mpiara-Mamaky ny Baiboly Malagasy FMBM etsy Antaninarenina ( 12, lalana Rabehevitra BP 922 Antananarivo 101 Tél. 22 251 35 ) ny Hetsika VOANTSINAPY 2013. Notanterahina teny @ Coliseum ny sabotsy 15 Jona nanomboka t@ 10 ora maraina h@ 3 ora sy sasany tolakandro. Nifarimbonan'ny FMBM t@ ireo sehatra mpitaiza ankizy sy tanora kristianina maro, toy ny : Sekoly Alahady FJKM, ny METM, ny FLM, ny EKAR sy ny EEM, ny Fikambanan'ny Mpiara-Mamaky Baiboly, ny ONG JESUS TEAM, ny IKELIMAHEFA sy ny maro hafa.
![Le fait que tu n'aies pas trouvé Dieu est-il une preuve
suffisante pour conclure qu'Il n'existe pas ?
[ Pensée Chrétienne ]](../madagascar_ravo_fbrut/voantsinapy_Madagascar_4.jpg)
Anton'ny Hetsika sy Tanjona :
Ny hitoriana ny Filazantsaran'i Jesoa Kristy @ ankizy sy ny tanora @ alalan'ny ankizy. Natao koa ho famporisihina ny ankizy handray andraikitra @ asan'Andriamanitra dieny mbola kely ary ho tia ny Tenin'Andriamanitra. Ankizy avokoa no nandray anjara nitarika ny fanompoam-pivavahana manontolo sy nitory ny Teny. Fanentanana, fampilalaovana ary seho sehatra isan-karazany no nandimby ny fanompoam-pivavahana avy eo. Dia nisy koa ny fizarana boky sy trakta ara-pilazantsara maro dia maro. Ny fanangonam-bola hamokarana ny Soratra Masina ho an'ny ankizy. Nahavory ankizy sy tanora maro ny hetsika ( tokony ho teo @ 16 000 teo ho eo ). Ary kasaina asiana isan-taona ny toa itony. Ny fampiraisana ny ankizy no tena zava-dehibe. Iray volana no nanomanana ny hetsika ary ny fanampian'ny malala-tanana no nahatontosana ny hetsika.
![To be « important » is good, but
to be good is more important [ Christian Thought ]](../madagascar_ravo_fbrut/voantsinapy_Madagascar_8.jpg)
Fijerin'ny naka ny sary :
« Koa amin'izany, ry havako malala, aoka ianareo hiorina mafy, tsy ho voahozongozona, hahefa bebe kokoa hatrany eo @ asan'ny Tompo, satria fantatrareo fa tsy foana tsy akory ny fisasaranareo @ fanompoana ny Tompo » ( I Kor 15 : 58 ). Somary tsy ampy ny fanentanana toy ny peta-drindrina izay tokony natao isan-tsekolim-pinoana ; izany hoe tokony nisy fanatonana ireo sekolim-pinoana ireo ( na sekoly tsotra maninona moa ) ahafahana nametaka peta-drindrina. Toy izany koa teo anivon'ny Fiangonana maro. Tsara avokoa ny sisan'izay.
Dia ho an'Andriamanitra irery ihany ny Voninahitra, ny laza, ny dera ary ny saotra, hatrizay hatrizay ka ho mandrakizay, Amena !