Tafika Masina AFF Foibe tany ANTANIMBARIBE - KANDREHO
Ny 18 hatramin’ny 23 Jolay 2018

Isaorana Andriamanitra, fa raha olona 18 no nisoratra anarana tany am-boalohany, dia tafakatra olona 31 izany t@ ora farany ( 3 andro mialohan’ny hiaingana ). Miampy olona roa avy @ AFF Foibe ireo olona 31 ireo, dia i Pasitera Fano ( domaine spirituel ) sy i Mlle Evà ( logistique ). Toa vitsy loatra anefa ireo mpandray anjara ireo koa dia nanapaka ny AFF Foibe fa ho avondrona ho any ANTANIMBARIBE-KANDREHO daholo, na lahy, na vavy, na matanjaka, na marefo ( @ dia an-tongotra io ). Ny fikasana teo aloha manko dia hoe hozaraina antoko telo izahay dia :

     
                     

- Vohiposa ( Ambohimahasoa – Fianarantsoa RN 7 )
- Antsahalava ( Ambohimandroso – Ambatolampy RN 7 ) ary
- Antanimbaribe ( Maevatanana – Kandreho ) izay nisy ny solontenan’Ankadifotsy ( mianadahy )

Ary dia nofoanana izany t@ ity i Vohiposa sy i Antsahalava.

 

TIMING

Talata 17 :
Natory tao @ FJKM Analakely ny antsasaky ny mpiantafika.

PS :
Ny sary
havoaka eto ( ho fijoroana vavolombelona ) dia misesy araka ny datin'andro koa ( suivant le timing ). Ny sary rehetra dia nalaiko avokoa ( afa tsy ireo vitsivitsy izay misy ny sariko, misy ny sasany @ ireny 'self-timer' na 'prise au retardateur' ). Sary voafantina ( sary 18 t@ ireo sary 135 nananako ) ireto avoaka eto ireto. Sary nalaina t@ fakan-tsary FUJI FinePix S4300 sur réglage Automatique.

 

 

Alarobia 18 :
Raha tokony hiainga t@ 3 ora maraina dia t@ 4 ora sy sasany vao tafainga. T@ 10 ora sy sasany teo ho eo no tonga tao ANTAFIA ( toerana 15 Km alohan’i Maevatanana izay tsy maintsy hiovana fiara ary hiampitana lakana ny renirano lehibe an’ Ikopa ). Najanona ary ny Sprinter roa, nosoloina fiara 4x4 roa ( deux simples-cabines – Toyota Land Cruiser ). Tena ratsy tena ratsy ny lalana ( anisan'ny lalana ratsy indrindra raha eto Madagasikara no resahina ). T@ 1 ora tolakandro no tafainga teo ANTAFIA. Nihazo an’i KANDREHO. Nisy camp miaramila hono tany taloha, dia hoy ny olona : « Aiza ny camp-andreo ? », dia lasa Kandreho ny anaran’ilay tanana. Niara-niainga ny fiara roa, saingy nifandao an-dalana, ka ny voalohany tonga tany KANDREHO t@ 9 ora alina !! Ary ny faharoa ( dia izaho sy i Augustine solon-tenan'ny FJKM Ankadifotsy, mbamin’ireo tompon’andraikitra rehetra, i Pasitera Fano, i Mlle Evà sy ireo Vehivavy-Sakaiza niandraikitra ny fisakafoanana ary ilay Dokotera hitsabo ny olona any dia i Dokotera Bako ) dia tsy tonga tany KANDREHO raha tsy ny Alakamisy 19 t@ 2 ora maraina !!! Noho ny fahasimban’ny jiron’ny fiaranay. Imbetsaka no nijanona izahay nanamboatra ny jiron'ny fiara. Nirehitra dia maty, nirehitra dia maty, dia toy izay hatrany. Marihina fa « faritra mena, na zone rouge Dahalo i Kandreho ». Dia natory adiny roa sy sasany fotsiny izahay.

Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy
Hiampita an'Ikopa : Augustine, Yolande, Ravo
Ireo 4x4 roa ( maitso sy gris ) hitondra anay 33 mianaka
Ny 'FJKM Kandreho Fihavaozana' sy ilay sarety tokana tam-boalohany

Alakamisy 19 :
Niainga maraina, dia an-tongotra avy eo KANDREHO niazo an’ ANTANIMBARIBE.

Niampy Diakona sy Kristiana vitsivitsy avy ao KANDREHO izahay, izay notarihan’ny mpitandrina any an-toerana dia ny mpitandrina ny PE ( Poste d’Evangélisation ) Kandreho : Pasitera Tsiry. Niainga t@ 9 ora. Tsy raikitra indray ilay –projet- sarety ho an’ny entana sy ho an’ny olona tsy mahazaka dia an-tongotra satria namely ny tsy fandriampahalemana, ka nisy ny omby very, ka matahotra ny ampiasa ny ombiny ny olona sao voatafika miaraka @ entana. Noho izany dia najanona daholo ny antsasaky ny entana nentinay. Ohatra, ny ahy, najanona ny sac-de-couchage fa nentina ny lamba ho any hirakofana, najanona ny blouson fa nentina ny tee-shirts, najanona ireo Testamenta-Vaovao telo saika homeko olona tany fa nentina ny Baiboly fiasana, sns. … Dia nanao toy izany daholo ny rehetra satria TSY MAINTSY HIBABY ny entany rehefa miverina !

 

RESAKA SARETY SY LAKANA :
Nampanantenaina izahay mpiantafika teo am-piandohana ( ny Alahady 15 Jolay nitondrana amim-bavaka ny asa tao @ FJKM Ambatomena niaraka t@ Pasitera Torà ) fa hisy sarety hitondra ny entana sy ny olona sasany ). Ary dia niteny mihitsy i Pasitera Torà hoe : « ento DAHOLO izay tianareo ho entina fa misy sarety hitondra azy ». Indrisy fa noho ny resaka Dahalo dia tsy nisy izany ny sarety. Nisy sarety t@ nandroso, fa hatreo @ lakana ihany, izany hoe lalana tsy misy dikany akory. Dia ireo no nitondra ny entana sy mpiantafika 7 mirahavavy izay tsy mahazaka dia an-tongotra. Tsy nisy sarety sy lakana kosa ny fiverenana satria ny sarety tsy misy rahateo ( tany Antanimbaribe, resaka Dahalo ) ary ny lakana tsy ho afaka miverina ara-potoana satria manohitra rano ( à contre-courant ). Lakana tsy misy môtera moa io satria marivo ny rano ka tsy mety @ rano marivo ny lakana misy môtera. Dia roso ary ny dia. Mpiantafika 26 nandeha an-tongotra ( toa ahy sy i Augustine ), ary mpiantafika 7 vavy kosa nandeha sarety sy lakana ( toa an'i Mlle Evà sy ilay Dokotera tokana hitsabo ny marary @ alalan'ny asa-soa ). Nihevitra avokoa izahay fa ny lakana sy ny entanay no ho tonga aloha any ANTANIMBARIBE. Niara-niainga t@ 9 ora maraina avokoa ireo ( ny Alakamisy 19 ). Dia an-tongotra adiny 7 eo ho eo. Fahatongavana t@ 4 ora sy sasany hariva ( lalana 36 Km ). Niampita ny reniranon’i Mahavavy in-efatra ( izay renirano miolikolika tokoa ka ilay renirano iray ihany no hiampitana ... in-efatra ) !!!! Vao teo @ fiampitana voalohany dia hitako ary fantatro fa ho sahirana tanteraka ilay lakana, satria hay marivo dia marivo ny rano ( hatreny @ foatra ny farany avo ) ; ary hay miolikolika ity renirano ity ( MAHAVAVY ) fa tsy mba mahitsihitsy. Indrisy : tonga ny olona, fa tsy tonga ny lakana sy ny entan’ny olona tao anatiny. Nandrasana ka nandrasana fa eee.

Dia niroso t@ fizarana andraikitra sy ny fanomanana ny asa izahay olona ; dia olona 4 voatendry ho tompon’andraikitra ; tsy iza izany fa i Pasitera Tsiry ( Pasiteran'ny FJKM Kandreho ), sy i Pasitera Fano ( FJKM AFF Foibe ), sy ireo olona roa niofana tao @ MAMRE ny taona 2017 : Atoa Daniel ( Mpiandry ao @ FJKM Andrainarivo ) ary ny tenako Ravo ( Filoha-Mpanampy ao @ FJKM Ankadifotsy ). Mbola nisy mpitarika iray dia i Rtoa Nivo ( FJKM Ambohimalaza – MAMRE koa ), saingy tavela tany @ lakana izy.

Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy
Ny dia an-tongotra 36 Km mampisaraka an'i Kandreho sy Antanimbaribe
Dia an-tongotra izay hiampitana in'efatra ny reniranon'i Mahavavy

Nozaraina ho 3 GROUPES ny mpiantafika,
Ka i Tonton Daniel sy izaho ary i Roger ( FJKM Imerintsiatosika ) no voatendry ho chefs de Groupe ( i Roger izany no nasolo an’i Rtoa Nivo ). Groupe 1 ny tanana akaiky ( i Roger no filoha tao ). Groupe 2 sy Groupe 3 ny tanana lavitra ( izaho sy i Tonton Daniel no filoha tao ). Tao @ Groupe 2 no nisy an’Ankadifotsy. Dia nozaraina ny mpiandry, nalamina ny fandaharam-potoana rehetra hatramin'ny Alahady. Noheverina ho toy ny teo ry zareo 7 vavy tavela tany @ lakana. Natao Groupe 1 avokoa ry zareo satria hoe tsy mahazaka dia an-tongotra lavitra. Somary vitsy olona izany ny Groupe 1 noho ny lakana tsy mbola tonga. Nalamina ny « Maraim-Baovao » sy ny « Culte isan-kariva ». Nalamina ny toerana rehetra haleha. Nalamina ny timing rehetra mbamin’ny fotoam-pivavahana ny Alahady. Voalamina DAHOLO ny zavatra rehetra. Dia novoriana izahay olona 26 tonga teo. Nozaraina ny andraikitra, efa maizina t@ izay ( environ 19h ).

NAHAFINARITRA TANTERAKA ny firaisankina sy ny fiaraha-miasan’ny mpiantafika. Tsara noho ny tany BENENITRA ( taona 2016 ), ary tsara lavitra noho ny tany BEROROHA ( taona 2015 izay nisy disadisa be ihany sy fifamaliana goavana izay saika niafara t@ fifampikasihan-tanana vokatry ny tsy fifanajana ), tsy haiko ny taona 2017 satria tsy tany aho. Eny, tsara lavitra ny firaisankina sy ny fiarahamonina ary ny fifankatiavana sy ny fifandeferana tany ANTANIMBARIBE ( taona 2018 ). Na dia nisy hatrany aza ireo fosafosa madinidinika sy ireo fifandirana tsindraindray. Tsy ilaozan’izany ny asa toy itony. Maro dia maro ny sedra tany, ary azo lazaina fa henjana kokoa noho ny tany Benenitra sy noho ny tany Beroroha ireo sedra tany Antanimbaribe !!! Vita ny sakafo hariva ( 21h teo ho eo ). Tsy mbola tonga ny lakana ( sedra faharoa – ny sedra voalohany dia ilay fahatongavana t@ alina tao Kandreho rehefa avy namakivaky lalana tena sarotra sy tena ratsy, dia lalana mankarary lamosina tanteraka ). Ary satria tsy tonga ny lakana, dia tsy nisy izany ny entana. Tavela tany avokoa ny ankamaroan’ny Basy ( izany hoe ny Baiboly sy ny fihirana FFPM ) an’ny mpiantafika. Mpiantafika vitsy monja ( azo isaina @ rantsan-tanana ) no nahatonga ny Baiboliny. Isan’izany i Augustine ( ny ahy anisan’ireo tavela tany anaty lakana ). Nisy moa ny entana nianjera tany anaty rano, isan’ireo ny entako ( sedra hafa, ho ahy manokana, sy ho an’ny sasany izany ). Kotsa tanteraka na fitafy, na firakotra, na finday ( simba tanteraka tsy azo nampiasaina intsony ), na lampe-frontale ( tsy nandeha tsara intsony ). Ny nahagaga dia tsy mba kotsa na dia kely aza ny Baiboliko sy ny fihiranako izay tao anaty kitapo latsaka tany anaty rano !! Dia samy niandry ny rehetra hoe mbola ho avy eo ny lakana ary dia hibata ny entana isika. Dia samy namonjy ny fatoriana aloha. Fatoriana @ ciment, tsy misy goailaka fa tsihy manify dia manify. Fatoriana na torimaso tsy zarizary satria tsy nisy lamba firakotra ary tsy nisy akanjo mafana, ho an'ny rehetra io ( satria tavela tany @ lakana avokoa ireo rehetra ireo, toy ireo Baiboly ). Ny alina anefa nangatsiaka dia nangatsiaka tanteraka, tsy toy ny atoandro. Dia samy natory tsy zarizary noho ny hatsiaka namely ny mpiantafika.

NY LAKANA :
Ireto avy ohatra ny karazana entana tsy tonga tany ANTANIMBARIBE fa mbola tavela tany @ lakana. Saika nitovizan’ny ankamaroan’ny mpiantafika ireo, mba tsy hitenenana hoe nitovizanay rehetra. Ny fitaovam-pidiovana toy ny savony, serviette, borosy-nify, dentifrice ; ny akanjo fisolo ; ny akanjo mandry ( pyjama ) ; ny lamba firakotra, ny jiro ( lampe sy torche ) ary ny Baiboly sy ny fihirana. Eny hatramin'ny papier-hygiénique(s) aza tsy tonga tany fa tavela tany anaty lakana avokoa. Tany Antanimbaribe rahateo tsy nisy savony na afokasoka na papier-hygiénique ho vidiana akory satria tsy nisy mpivarotra na iray aza. Tany tsy mba misy izany mpivarotra izany ( na 'épicerie', na dia 'épicerie' faran'izay tsotsotra aza ) Antanimbaribe. Fambolena no any, dia fiompiana. Tsy misy birao, tsy misy mpivarotra.

 

Zoma 20 :
Noho ny hatsiaka dia naleoko nifoha t@ 4 ora maraina, dia nitanina afo niaraka t@ ireo tompon-tany tao Antanimbaribe sy ireo ekipan’i Kandreho izay efa nanomakomana ny sakafo maraina. Ry zalahy sy ry zavavy sy ny maraim-baovao t@ 6 ora vao nifoha. Mbola maizina rahateo ny alohan’ny @ 6 ora. Ny douche dia mandeha an-tongotra 15 mn eo ho eo na mihoatra mankany @ reniranon’I Mahavavy ( izay renirano lehibe velarana tokoa, fa marivo ). Ny WC dia tsy misy fa -Jangoany- hoy ny any Mahajanga, izany hoe any anaty akata sy bozaka. Mety hanitsaka maloto izany ianao raha tsy mailo. Tao @ tranon’ny Commune izahay no natory, nisy efitra roa ka ny iray natao ho an’ny lehilahy ary ny iray natokana ho an’ny vehivavy. Birao izy io, izay nisy ny antotan-taratasy rehetra an’ny Commune Antanimbaribe-Kandreho. Lavidavitra avy eo ny sekoly ( izay tsy misy varavarana sy tsy misy varavarankely, fa misy WC ). Trano satrana vitsivitsy 4 na 5 kosa eo anelanelan’ny Biraon’ny Commune nisy ny mpiantafika rehetra sy ny sekoly nisy ny WC no natorian’ireo ekipan’ANTANIMBARIBE sy ireo ekipan’i KANDREHO. Tany i Pasitera Tsiry no natory, ary dia tany koa aho no natory ( teo akaikiny ; izany hoe tsy niara-natory t@ ireo mpiantafika avy aty Antananarivo aho nandritry ny Tafika Masina manontolo tany Antanimbaribe ), noho ny tsihy fatoriako tsy tonga ( tapis de sol ) sy ny lamba firakotra tsy tonga no nahatonga ahy hanao izany. Nisy KD ( Katekista Délégué ) iray antra ahy dia nanome iray t@ ireo lambany ( roa ny lamba firakotra nentiny, ka foiny hampindramina ahy ny iray ). Teo no nahitako fa manify dia manify ny lamba firakotra an-dry zareo, ary zara raha maharakotra olona iray ( izany hoe tsy maintsy miforitra ianao raha matory fa tsy mahatakatra ny tongotra raha tsy miforitra, ho an'ny olona lavalava toa ahy, ary tsy mahazo mivadika fa vao mivadika ohatra dia mangatsiaka be ny lamosina, izany hoe taitra @ torimaso ianao isaky ny mivadika ). Voatery mouchoir no niarovana ny sofina @ hatsiaka sy ny fanala ( soa fa tsy mouchoir à jeter no fampiasako fa tena mouchoir lamba mihitsy ) . Saingy misaotra an’Andriamanitra aho ary misaotra ilay KD nanana izay lamba kely nozarainy izay. Mampahonena ; tsy mitovy @ bodofotsintsika ny an-dry zareo fa manify dia manify. Dia natory tsy zarizary teo, azo lazaina hoe tsy natory akory angaha ? Fa dia niandry ny andro ho maraina fotsiny. Ry zalahy sy ry zavavy tary @ Commune afaka nifampitakisikisina ary tena nifampitakisikisina mihitsy mba hafana kokoa ( noho ny hatsiaka izay tena namely ) ; ny efitry ry zalahy sy ny efitry ry zavavy rahateo samy efitra tery kely hany ka mora mahazo hafanana rehefa mifampitakisikisina eo. Tsy mety loatra @ olona asthmatique ohatra ahy ny fofonaina mifanakaiky tahaka ireny, hany ka naleoko niaritra ny hatsiaka mamanala. Safidy io.

Vita ny sakafo maraina, niainga ny mpiantafika ( dia ny 3 Groupes izany ) ; tsy mbola tonga ihany ny lakana sy izy 7 vavy. Fokontany 5 no nitoriana ny Filazantsara. 6 fa tsy tratra ny iray satria lavitra loatra ( 3 heures de marche en aller simple ). Bemonto no anaran’io tanana tsy tonganay io. Ary ireto kosa ny fokontany 5 : Andranogana sy Bemololo sy Tanandava-Ambalamanga ( ho an’ny faritra akaiky : Groupe 1 ). Mahavelo ( ho an’ny Groupe 2 nisy an’Ankadifotsy ). Ary Antsatrabe izay lavitra indrindra ( 2h30 de marche en aller simple ) ho an’ny Groupe 3. Vinavinaina hoe 250 tafo eo ho eo ny totalin'ny trano vitanay raha kely indrindra.

Noho ny lakana tsy mbola tonga dia nanao Renfort ny Groupe 1 ny Groupe 2, ka noraisinay i Bemololo.

Ho an’ny Groupe 1 sy ny Groupe 3 dia fitsidihana an-tokan-trano ( portes-à-portes ) no nataony. Fa ho an’ny Groupe 2 nisy ahy kosa dia natambatra t@ toerana iray avokoa ny iray tanana manontolo ka fitoriana an-kalamanjana avokoa no natao. Ireto no nandrafitra ny Groupe 2 izay nisy ny FJKM Ankadifotsy :

 

GROUPE 2 ( nisy olona 9 ) :
1- Ravo ( FJKM Ankadifotsy ) – Chef de Groupe
2- Augustine ( FJKM Ankadifotsy )
3- Atoa Simon ( FJKM Imerintsiatosika )
4- Totoa Mé ( FJKM Imerintsiatosika ) – Mpiandry
5- Totoa Lala ( FJKM Andrainarivo ) – Mpiandry ( efa niray Groupe tamiko tany Benenitra ny taona 2016 )
6- Totoa Germaine ( FJKM Andrainarivo ) – Mpiandry
7- Totoa Florentine ( FJKM Mahazoarivo ) – Mpiandry
8- Totoa Lala ( FJKM Mahazoarivo ) – Mpiandry

Ary ny guide-local anay kosa dia Atoa Rapasy ( olona faha-9 ), monina ao Ambalakida ary mahafantatra ny olona rehetra ( na ny maro @ izy ireo ) t@ lalana REHETRA izay naleha. Ny ombiny no isan’ireo lasan’ny Dahalo ka nahatonga ny sarety ho tsy nisy tany Antanimbaribe. Ny saretin’i Kandreho rahateo tsy mety andeha koa noho ny resaka Dahalo sy halatra omby. Dia raikitra fa … LAKANA … no vaha olana ! Tena nahafinaritra indrindra io RAPASY io, ary izy irery no hany mba manao VOMM ( Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka ) t@ ireo fianakaviany tao @ FARITR’ ANTANIMBARIBE MANONTOLO. Saingy tsy nanana izy na Baiboly, na dia Testamenta-Vaovao aza. Nahazo Testamenta-Vaovao ihany izy t@ farany. Testamenta-Vaovao iray baoritra no nozarain’ny FJKM Imerintsiatosika tany Antanimbaribe ! Ny lakana no nitondra an’ ireo. BEMOLOLO sy MORAFENO no tanana nanaovan’ny Groupe 2 ny asa fitoriana an’i Jesoa Kristy. Nahazo olona maro dia maro izay liana tanteraka ny @ Jesoa Kristy izahay. Tsy nahafantatra velively an'i Jesoa Kristy izy ireo talohan’ny nahatongavanay tany. Tsy misy trano Fiangonana any ANTANIMBARIBE na inona na inona ( tsy misy FJKM, tsy misy Katôlika, tsy misy Lôteriana, tsy misy Sekta, tsy misy Silamo ). Dahalo sy toaka ary vehivavy no manjaka any. Dia ny betsabetsa sy ny fomban-drazana !!

Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy
Santionany @ ireo fokontany Bara sy Sakalava nanaovana ny asa fitoriana
Nanarama mpitondra entana izahay nony nody - manjombona be eto ny andro

ENVIRONNEMENT SOCIO-ECONOMIQUE TANY AN-TOERANA :

Tsy misy trano Fiangonana mihitsy na sekta io na silamo. Misy EPP ( ilay misy WC ). Misy Hôpitaly tsotsotra, fa tsy misy Dokotera. Tsy misy dokany na épicerie na mpivarotra NA DIA IRAY AZA. Izany hoe tsy misy na inona na inona azo vidiana ( tsy misy coca-cola, tsy misy labiera, tsy misy eau vive, tsy misy jus na inona na inona, tsy misy dite, tsy misy kafe, tsy misy sira, tsy misy siramamy, tsy misy menaka, tsy misy savony ho vidiana : … TSY MISY NA INONA NA INONA ANY ). Efa nambara taminay mialoha io raha hiala an’i Kandreho izahay. Ary dia tsy nisy tokoa na dia nitety ny vazan-tany rehetra aza izahay. Affiches-en-couleur hoe handalo any hanao ‘Bal’ i Black-Nadia no hitanay tany. Manjaka ny tsy fahandriam-pahalemana ( ... censuré ... ). Manjaka hatrany an-tany lavitra any ny kolikoly avo lenta, ka manao kolikoly ary miray tsikombakomba @ Dahalo ny CB sasany sy ny Ben’ny tanana sasany ( ... censuré ... ). CB = 'Commandant de Brigade', izany hoe ny lehiben'ny Zandary eo @ toerana iray. Noho izany dia manjaka hatrany ny halatra, ny fandrobana, ny halatra omby, ny fametavetana ary ny vono olona. Nisy ny couvre-feu tao KANDREHO nefa dia t@ 9 ora alina ny sasany taminay vao tonga tao, ary ny sasany ( toa an’Ankadifotsy izay nisy ahy ) dia t@ ... 2 ora maraina vao tonga, izany hoe nanao lava-alina en pleine zone rouge !! Izany sy izany no fiainana any an-tany lavitra any. Mampalahelo tanteraka ny vahoaka Malagasy !!!

Tapitra ny sakafo hariva. Tapitra koa ny tatitra sy ny Culte hariva. Tonga ny lakana t@ 8 ora alina !!! Lalana tokony ho iray Km sy sasany no nandehananay haka ireo entana rehetra. Izany hoe avy eo @ niatsonan’ilay sambo ka hatrany @ Camp ( dia ny Commune ). Lalam-pasika io, dia lalana tokony ho 3 Km mandroso sy miverina eo ho eo izany, ny alina maizina dia maizina rahateo. Ny lehilahy rehetra no nandeha naka ny entana : ny mpiantafika, sy ny ekipa roa tonta : Kandreho sy Antanimbaribe. Tonga daholo ny entana, tsy nisy very, saingy kotsa tanteraka ny sasany satria nilatsaka tao anaty rano teny ambony lakana. Toa ny ahy. Alina faharoa tao ANTANIMBARIBE : kotsa ny lamba firakotrako, kotsa ny fitafiako manontolo, kotsa ny Lampe, kotsa ny Mosquitos, kotsa tsy nisy azo noraisina intsony ny papiers-hygiéniques, ny hany tsy kotsa dia ny Baiboliko sy ny fihiranako ( mahagaga tanteraka - sady fijoroana vavolombelona ihany - tena mahagaga ary tsy mampino saingy zava-nisy fa tsy angano angano ). Tsy nisy nifono 'sachet' anefa ireo rehetra ireo. Kotsa hatramin’ny kara-panondroko izay voatery nohamainina t@ masoandro ny ampitson'io. Ny Baiboly sy ny fihirana FFPM kosa tonga dia nentina niasa ny ampitson'io ( sady tsy kotsa rahateo fa maina be ireo fitaovana roa ireo ).

 

Sabotsy 21 :
Nitohy ny asa fitoriana an’i Jesoa Kristy sy ny fanomanana hananganana VOMM any ANTANIMBARIBE.

MAHAVELO no tanana nanaovanay fitoriana. AMBALAKAZAHA ny tanana voalohany. Nisy ny fampianarana hira ho an’ny ankizy ( Jesoa tia antsika re … sns. … ). Mahavelom-panantenana tanteraka raha ny fijery ireo olona nanaovana ny asa fitoriana. Liana be ny @ Jesoa Kristy ry zareo any. Torak’izany koa ny tao MAHAVELO. Tanana lehibe efatra no tafatambatra tao MAHAVELO, satria nisy « Joro » tao. Ary dia nanatrika ny asa fitoriana tao ny olon-dehibe vitsivitsy teo @ olona 10 teo ho eo ( tao anatin’izany ny lehiben’ny fokontany Mahavelo, sy ray aman-dreny be maromaro, izany hoe ireo dadilahy na olo-be manan-kaja tany an-toerana ), ankoatr’ireo ankizy sy tanora marobe tsy voaisa. Nialohavan’ny fampianaran-kira ny ankizy sy ny tanora io asa fitoriana io. Vory maro ny olona tao, tetsy andaniny izahay niaraka t@ ireo ray aman-dreny be teo an-tanana, teo ambody manga ; tetsy ankilany, tao an-tampon-tanana ireo tanora sy lehibe maro nanohy ny fitetehana hena, sy ny bal-kabôsy ary ny fisotroan-toaka. Nisy ny resy lahatra, nisy ny tsy resy lahatra, ary nisy ny mihatsara velatsihy fotsiny. VITA NY ASA ! Misy ny sary, any ny sary, nalaiko sary avokoa na ny mitam-basy sy ny mpisotro toaka, izay azo inoana tanteraka fa Dahalo. Nanam-potoana kely aho hakana ny sary taorian’ny asa fitoriana izay nataoko rahateo ( ny tory teny teo ankalamanjana, niompana indrindra t@ fitiavan’Andriamanitra sy ny nanomezany antsika an’i Jesoa Kristy Zanany, izay manome fiainana dieny ety an-tany ka hatrany ankoatry ny fahafatesana ). Izany hoe nanam-potoana kely aho nitsidihana fohy ireo tsy resy lahatra tao an-tampon-tanana ( tsy nandeha tany ireo namako rehetra fa nijanona tery ambodi-manga avokoa ). Tsy nisy asa fitoriana azo natao tao an-tampon-tanana ( izay tsy nahazoana alalana rahateo fa teo ambodi-manga no nahazoana alalana ), ry zareo tao mamo rahateo, fa dia ny sary no nalaina. Maika hiala teo ireo mpiandry 5 niaraka taminay rehefa vita ny asa fitoriana sy ny temps-de-pause fa toa nahatsapa herin’ny maizina hafahafa angaha ? 6e sens des Mpiandry ? Nanao dia maika dia maika ry zareo ( izahay ) nandao an’I MAHAVELO. Izaho manokana tsy nahatsapa na inona na inona ( satria tsy mpiandry angaha ? Tsy maninona fa fanomezam-pahasoavana samihafa daholo izany : ny sasany toy ny Mpiandry SAFIF manana 6e sens tsindrimandry, ny sasany toa ahy tsy manana 6e sens fa manana ... fakan-tsary kosa - no sady sahy maka sary na 'zone rouge' Dahalo aza ). Araka ny Tenin'ny Soratra Masina hoe :

« Zarazaraina ho samy hafa ny fanomezam-pahasoavana, nefa ny Fanahy dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny fanompoana, nefa ny Tompo dia iray ihany. Ary zarazaraina ho samy hafa ny asa, nefa Andriamanitra dia iray ihany, izay miasa ny zavatra rehetra @ olona rehetra » [ 1 Korintiana 12 : 4 - 5 - 6 ]

Ny hariva, ho solon’ny TAKARIVA MAHAFINARITRA ( izay tsy nasiana noho ny antony tsy fahandriam-pahalemana ) dia fanomanana an’ireo notafihana vitsivitsy izay tonga tao ho @ fananganana ny VOMM. Nozaraina ho sokajin’olona telo : ny lehilahy sy ny olany, ny vehivavy sy ny olany ary ny ankizy sy ny fampianara-kira sy sekoly alahady. Ny Sabotsy tontolo dia fizahana marary koa sy fizarana fanafody ( nahazo daholo ireo olona miisa 150 tonga tao ). Asa sôsialy an’ny Vehivavy Sakaizan'ny AFF io. Efa fanaon-dry zareo.

Manentana antsika fiangonana FJKM rehetra mba hamatsy fanafody an'ireo VEHIVAVY SAKAIZAN NY AFF ireo, mba hanampiana ireo olona marobe tra-boina @ toerana toy itony, indrindra rehefa hiainga iny ny mpiantafika SA AFF. Misaotra indrindra Tompoko. Momba izay, dia azonareo antsoina i Mme Bako ao @ VEHIVAVY SAKAIZAN NY AFF, Tél. 034 30 072 77 na 032 57 970 24. Dia ampitondray Baiboly maromaro sy fihirana FFPM vitsivitsy koa ny mpiantafika rehefa handeha, mba ho zarainy @ olona marobe liana any @ ireny toerana an-kodahoda be tsy tongan'ny fiara ireny. Ampitondray ny Mpiantafika sy ny Mpiandry ao @ fitandremana misy anareo tsirairay avy izany. Misaotra mialoha Tompoko fa tena ilaina, tena ilaina ireny. Tena mahasoa indrindra. Ny Tompo homba anao. Azonao antsoina koa aho raha momba ny Baiboly sy ny fihirana raha tsy misy Mpiantafika mandeha ao aminareo ( na Baiboly efa tonta aza tsy maninona ). Ravo Tél. 032 41 063 65 ( mailaka : r_ravo@hotmail.com )

Marihina fa t@ ireo 7 vavy nitaingin-dakana dia ny 3 vavy monja no tonga ny Zoma alina t@ 8 ora, fa ny efa-bavy tsy tonga tao raha tsy ny Sabotsy maraina t@ 8 ora. Diso lalana ny guide-local an-dry zareo, ny andro nandroso ho maizina rahateo ka tany an-tananan’olon-kafa no tafatory ! Ny naha-taraiky be ny lakana moa dia noho ny rano marivo dia marivo, hany ka sady tsy afaka no atosika FOANA ! I Mlle Evà sy i Dokotera Bako irery no afaka nanosika ny lakana satria matanjatanjaka, ny sisa kosa dia nandeha an-tongotra nanaraka ny moron-drano na nanivaka tanety sy havoana – izany hoe nandeha an-tongotra tahaka anay rehetra ihany ( ny azy ireo aza lasa lavalava kokoa noho ny anay ny dia an-tongotra ) -. Mikasoka @ fasika matetika ilay lakana ka ela vao tafavoaka. Natory rehefa nisy tanana ry zareo mpandeha lakana ny alin’ny Alakamisy. Dia nisy ny déchargement-ny entana ho eny an-tanana, ary nisy ny re-chargement ny entana ho eny ambony lakana indray ny maraina ( 'pour raison de sécurité de nos bagages en zone rouge' Dahalo dia tsy navela teny ambony lakana t@ alina mihitsy ireo entanay rehetra ).

Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy
Ny fitoriana nataon'ny Groupe 2 izay notarihako, tao Ambalakazaha
Dia avy eo tao Mahavelo teo ambody manga
Ary ny fanompoam-pivavahana ny Alahady

Alahady 22 :
Fanompoam-pivavahana teo ankalamanjana, teo @ tokontanin’ny Commune. Nisy asa sy fampaherezana nataon’ireo mpiandry SAFIF izay saika ny antsasaky ny mpiantafika. Notarihan’i Pasitera Tsiry ( PE KANDREHO ), nitory ny Tenin’Andriamanitra kosa i Pasitera Fano ( AFF Foibe ). PE = Poste d'Evangélisation. Niala teo ANTANIMBARIBE izahay, samy nilanja ny entany na samy nanakarama ny mpitondra ny entany avy, t@ 10 ora sy sasany maraina io fotoana io. Baiboly roa monja no fanomezana tonga tany an-toerana, natolotra fitandremana roa ireo Baiboly ireo ( izay tsy voaraiko ny anarany ). Ny Baiboly iray nomena an’I MAHABO ary ny Baiboly faharoa natolotra an’ANTANIMBARIBE. Ka raha ny siosion-dresaka henoko t@ Pasitera Tsiry ( satria teo akaikiny foana aho no natory nandritry ny alina telo ) dia mety ho ny guide-local anay Groupe 2 no hametrahana azy, dia I RAPASY izany, noho izy irery hany mba manao VOMM miaraka @ ireo fianakaviany ( ireo zanany sy zafiny ). Nangetaheta ny mba hanana Baiboly daholo ireo olon-dehibe sy tanora nanatrika ny fanompoam-pivavahana ny Alahady izay miisa olona 25 eo ho eo. Na dia vitsy aza ny olona ny Alahady dia be ny fanantenana handrosoan’ny fiangonana any ANTANIMBARIBE. Be no liana ny @ Jesoa Kristy. Be no nanaiky t@ tsangan-tanana nampanaovinay ny hananganana VOMM sy ny hananganana ny trano Fiangonana izay efa nisy taloha elabe fa noravain’ny rivo-doza Gafilo ( asa ny taona firy ? ). Dia rava teo koa ny ara-panahy an’ireo mponina tany ANTANIMBARIBE. Tsy nahalala ny @ Jesoa Kristy intsony ireo tanora sy ankizy rehetra taty aorian’i Gafilo. Toa i RAPASY irery sisa no hany mba mahalala ny @ Jesoa Kristy ( talohan’ny nahatongavan’ny mpiantafika ).

Nisy ny tafaverina tany KANDREHO t@ 4 ora hariva, nisy ny t@ 5 ora sy sasany ( toa ahy sy i Augustine izany ), ary nisy ny harivariva t@ 7 ora sy sasany vao tonga ( toa an’i Pasitera Tsiry izay nanao ny vodi-lalana = 'ramassage des invalides et des fatigués' izay nisy tokoa ). Nikasa ny handao an’i KANDREHO izahay ny ampitson’io t@ 3 ora maraina, saingy tsy tafainga tao raha tsy t@ 7 ora sy sasany noho ny antony maro samihafa sy ny sampona ary ny sakantsakana nataon’ilay ratsy. Satria dia nisy fifandirana somary mahery vaika izay nofaranana t@ fifamelan-keloka sy ny mifampitantana t@ izany, teo anivon’izahay samy mpiantafika. Efa samy reraka rahateo ka nivoaka ny 'Tension-Nerveuse'.


FEHINY

Ireto no ilaina hifanampiana mba hanohizana ny asa any ANTANIMBARIBE-KANDREHO raha afaka manao izany ny fitandremana tsirairay :

Moto-Cross ho an’ny mpitandrina any an-toerana ( Pasitera Rabarijaona TSIRIniaina Tél. 034 28 208 18 ) hitetezany faritra maro. Fitaovana na vola hananganana ny trano Fiangonana FJKM Antanimbaribe. Ary Baiboly maro. Misaotra mialoha tompoko.

Nanao ny tatitra :
Ravo ( Filoha-mpanampy ao @ SA AFF FJKM Ankadifotsy ) Tél. 032 41 063 65
Ravo, webmaster de Pensée Chrétienne.org et de Christian Thought
Voninahitra ho an’ Andriamanitra irery ihany. Amena

 

Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy Tafika Masina SA AFF FJKM - Antanimbaribe Kandreho Maevatanana Madagascar - Pensée Chrétienne - webmaster Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary - AFF FJKM Ankadifotsy

 

 

 

 

 

Fihaonamben'ny SA AFF
Tany Mahanoro ny taona 2018

Ny AFF FJKM Ankadifotsy Septambra 2018 tany Mahanoro, fihaonamben' ny AFF

Ny AFF FJKM Ankadifotsy 2018, mitsangana de G à D
Ravo, Ninie, Hanitra, Marie Claire, Michelle, Miarisoa, Brigitte, Bodo
Livaniera, Oely, Lalao - Mipetraka de G à D : Jeanine, Tojo, Ianja
Jeanine, Claudie, Rondro, Miarivola, Faratiana, Augustine

En rollover : BD Tournesol de la LLB

 


Fihirana Salamo 117
Miderà an'i Jehovah
FJKM Katedraly Analakely

 

SUJET A REFLEXION
Juges 14, 15, 16

Samson se fiait sur ses cheveux, sur les promesses faites à son sujet, sur les prophéties, sur l'appel, sur la fidélité de Dieu,

... Mais pas sur la « dépendance de Dieu ».

Aujourd'hui vous pouvez vous fier sur votre sécurité financière, sur la croissance de votre église ( FJKM, FFKM, etc. ), sur les relations autour de vous, tout cela n'est que du vent, et poursuite du vent !

[ Jonathan Valbon ]

 

 

Famintinana ny FIOFANANA :

Nibanjina ny hanatanterahana ireo vina goavana roa an’ny FJKM ny fampiofanana dia :

- Ny VINA ato anatin’ny 4 taona manao hoe : « Vontosy filazantsara ny Nosy Madagasikara »
- Ny VINA ato anatin’ny 100 taona manao hoe : « Mbola ho firenena kristiana ihany i Madagasikara @ taona 2118 »

Koa ireto avy ny lahateny sy fampianarana ary fizarana nifandimby, miaraka @ ireo olona nanatontosa izany nandritry ny fiofanan'ny AFF ( Asa Fitoriana ny Filazantsara ) tany an-toerana.

1- Pasitera Rarijason, Filohan’ny AFF Foibe
Ny filazantsara hamontosana an’i Madagasikara

Tsy dôgme, na théorie, na planina no ilaina ; tsy taktika na stratejia sns. no ambony ; Fa Ilay filazantsara mihitsy dia OLONA izany. Io olona io no toriana, io no filazantsara, dia i JESOA KRISTY izany ( Izy no Ilay vavahadin’ondry, Ilay lalana sy fahamarinana ary fiainana, Ilay mofon’aina, Ilay fahazavan’izao tontolo izao, Ilay Mpiandry tsara, Ilay tena voaloboka, Ilay fananganana ny maty sy fiainana mandrakizay ). Raha tiana hahomby ny hamontosana an’i Madagasikara dia Izy no tsy maintsy toriana ary Izy ( Jesoa Kristy ) no tsy maintsy raisin’izay toriana. Izay vao ho vonto i Madagasikara.

2- Pasitera Tovonirina Guy, Mpitandrina ao @ FJKM Soavina, faritry ny ‘Canal des Pangalanes
Fijoroana Vavolombelona

Any @ faritry ny ‘Canal des Pangalanes’ any an-kodahoda be no misy ny fitandremany ( PE = Poste d’Evangélisation ). Lalana roa andro, ny voalohany indray andro lakana ( ‘Canal des Pangalanes’ ), ny faharoa indray andro dia an-tongotra, dia tonga ao Soavina. Rehefa mandeha ara-panahy ny Fiangonana dia tena miasa Andriamanitra ary dia asehony ny Voninahiny. 6 taona lasa izay no tonga tany Pasitera Guy, 50 teo ho eo ny mpiangona. 6 taona aty aoriana, mahatratra mihoatra ny 2000 olona ny mpiangona MAZOTO. Tsy manam-bola hanaovana trano Fiangonana ho an’izany olona marobe izany ny any ambanivolo any, tsy mahasakana ireo mpiangona anefa izany hivavaka eny an-tokontany, na dia avy be aza ny orana tsindraindray. Nanangana Sekoly koa ry zareo, dia mbola niseho ny Voninahitr’Andriamanitra satria dia ry zareo foana no voalohany @ valim-panadinam-panjakana any @ iny faritra manontolo iny, ary dia resiny foana ny lycée sy ny sekoly rehetra any @ iny faritr’i Nosy Varika iny.

3- Pasitera Triomphe, SG’ ny AFF Foibe
Fandalinana ny Boky Ravinala 2 ( Boky Ravinala 1 nohavaozina )

Ny Boky Ravinala ( 1 na 2 ) no misy ny toro-lalana ho an’ny mpitory ny filazantsara, antsoina hoe : ‘Tafika Masina’. Nisy ny lesona, nisy ny fampiharana, nisy ny fifampizarana traikefa. Ilaina ny manadihady, mijery tsara sy mihaino tsara mialohan'ny asa fitoriana, mba hahafantarana bebe kokoa sy hahafantarana tsara ny toe-java-misy eo an-toerana mba hampahomby ny asa fitoriana.

4- Pasitera Rakotonindrainy Jaona, TDF ( Tonian’ny Departemantan’ny Fiangonana FJKM )
Fitazonana ny VINA, dia ireo VINA voalaza etsy ambony ( VINA 4 taona sy VINA 100 taona )

Tsy misaraka, tsy afa-misaraka @ Herin’ny FANAHY MASINA ny mpitory ny filazantsara AFF raha te hahomby sy hahataona olona maro ( ny olona rehetra sy ny olona manontolo ). Ary dia miseho ny asa mahagaga ataon’Andriamanitra. Ny fibebahan’ny tsirairay no tanjona tiana hahatongavana, mba ho tonga olom-baovao ny tsirairay. Ho afaka @ fahazaran-dratsy ny tsirairay. Mila manam-pitiavana ho an’ireo olona ho toriana ny mpiantafika. Dia ho vonto i Madagasikara. Ho tratra ny VINA anankiroa.

5- Pasitera Radimisaon Jonah, SG’ ny FJKM
Mamonto filazantsara an’I Madagasikara

Nitaona ny isam-batan’olona sy ny isam-pitandremana mbamin’ny isaky ny SP ( Synodam-paritany ) mba HANANA VINA GOAVANA @ izao sisa izao. VINA goavana izany hoe VINA mahagaga no apetraka satria an’Andriamanitra mahagaga ny asa fa tsy antsika olombelona. Fitaovana eo am-pelatanany fotsiny ihany isika olombelona. Ohatra ny tetik’asa DIDOMI : ho an’ny FJKM iray manonotolo : ny VINA hananganana trano Fiangonana vitsivitsy isan-taona. 5 izay no vita hatramin'ny taona 2017. Ho an’ny FJKM manontolo hatrany : ny tetik’asa 407 communes tsy mbola misy Fiangonana FJKM miorina. @ izao fotoana izao efa an-dalana ho vita ny antsasany mihoatra. Ary dia tsy ny fananganana ny trano Fiangonana ihany fa ny fananganana VOMM maharitra koa. VOMM = Vondron’Olona Mpiara-Mivavaka, na ireo kristiana hijoro ao sy hateza ao, hamelona ny Fiangonana rehefa lasa ny mpanorina. Ny fanohizana sy fiantohana ny asa toy ny fametrahana KD ( Katekista Délégué ) any an-toerana rehefa mitsangana ny trano Fiangonana.

Dia toy izany hatrany @ mpiantafika ( AFF ) tsirairay avy : tokony samy hanana, tokony samy hametraka ny VINANY. Dia VINA mahatalanjona ( izany hoe VINA tsy ho hain’ny saintsika ho eritreretina ho vita ). Izay no maha asan’ny FANAHY MASINA azy fa tsy asantsika. Ohatra : mitory @ ankohonanao, mitory @ manodidina anao, any am-piasana, eny an-tsaha, any am-pianarana, sns. Tokony ho sahy ary tokony hahomby. Izay no maha VINA azy. Enga anie ka tsy hijanona ho VINA fotsiny izany fa hiroso @ fanatanterahana isika rehetra izay niofana sy izay mamaky izao hafatra izao. Tsy misaraka @ FANAHY MASINA sy @ JESOA KRISTY TOMPON’NY FINOANTSIKA ny fanatanterahana ny VINA ( Hebreo 12 :1-2 ).

Fihaonambe AFF Mahanoro 2018 - Ny AFF FJKM Ankadifotsy

Faratiana, Jeanine, Tojo, Oely, Ianja, Augustine, Ninie, Fifi, Miarivola, Voahangy
en rollover : Marie Claire, Claurette, Rondro, Bodo, Rinah, Miarisoa, Brigitte,
Irmà, Claudie, Odette, Michelle, Dr Lalao, Livaliera, Jeanine, Hanitra

6- Pasitera Rakotoarimanana Ndriamanantena, Mpitandrina ao @ FJKM Antsalova, SP Bemaraha
Fijoroana Vavolombelona

Faritra sarotra dia sarotra satria anjakan’ny Dahalo tanteraka. Dia lasa mitsoa-ponenana sy matory any an-tsaha ny olona ao an-tanana. Dia an-tongotra avokoa ny asa fitoriana any rehetra any. Koa manainga ireo mahalala tanana hanampy ara-pitaovana, ohatra @ fanomezana môtô, Baiboly, fihirana FFPM. Indrindra @ fanohanana @ alalan’ny vavaka. Ao Antsalova ohatra dia misy 32 ny isan’ireo mpimasy, Dahalo sy lehiben’ny Dahalo avokoa izy ireo. I Tsiandro dia tanana iray any @ iny faritra iny izay tena lemaka sy tena lonaka ( tany notahian-Janahary ), saingy nisy fotoana tsy nisy olona intsony tao an-tanana noho ny tahotra ny Dahalo. Im-betsaka ry Pasitera sy izay nitory ny filazantsara tany no nifanena t@ Dahalo, ary dia tsy maintsy mandositra rehefa hifanena aminy, mandositra dia miafina mandra-pahalasan'izy ireo.

7- Pasitera Rakotomanana Herintsoa Tahiry, Mpitandrina,
Tonian’ny Sampana Vokovoko Manga Foibe FJKM
Mpampianatra ao @ Faculté de Théologie Ambatonakanga
Madagasikara ilay tany hovontosana filazantsara

Iza moa i Madagasikara ?
Ary iza moa ny Malagasy ?

Olon’ny TENY ny Malagasy, izany hoe tia TENY. Noho izany tsy dia mivantana izy rehefa miresaka fa an-kolaka matetika. Ary dia misy zavatra milafika saro-pantarina foana ao anatiny. Izay no maha-sarotra ny asa fitoriana raha tsy tafapaka TSARA hatrany @ ilay milafika any @ faran’ny lalin’ilay olona toriana. Manana HERY MIAFINA MARO izay inoany ny Malagasy, isan’ireny ilay antsoiny hoe : ‘Razana’. Hafangarony @ Ilay Andriamanitra velona dia ny Andriamanitry ny kristiana ireny hery miafina maro ireny. Koa tokony hazava tsara ny resaka rehefa mitory an’i Jesoa Kristy Tompo sy Mpamonjy isika. Tena ‘conservateur’ koa ny Malagasy ka mitazona FATRATRA ny netim-paharazana, dia ny fomba sy ny fombafomba. Samy miantso fanahy na ny kristiana na ny Malagasy, saingy toa fanahy tsy mitovy no antsoina fa fanahy samy hafa tanteraka. Mivavaka @ andriamanitra MAROMARO ny Malagasy ( synchrétisme ). Dia nisy sary sy resaka « mangamanga sy mavomavo » izay nampatory ny sasany avy eo. Ohariko @ atody masaka iray ilay sary. Rehefa mitory ny AFF na ny mpiantafika dia ilay fotsifotsy @ ilay atody masaka foana no voan’ny balany, dia faly izy fa nahavita ny asa fitoriana. Tsy mety voa mihitsy anefa ilay mavomavo ao anatin’ilay atody fa voaharon’ilay fotsifotsy foana ny bala rehetra. Dia rava maina izany ny VINA : tsy misy vonto na iray aza. Tokony hoheverina izay fomba mahomby hahavoazana ilay mavomavo ao anaty ( dia ilay zavatra milafika saro-pantarina ao anatin’ny olona tsirairay ) raha tiana hahomby ny VINA. ( Amiko, izany hoe tsy tatitra akory ity fa hevitro manokana, dia mety ho ny fahatokisanao mpitory ny asan’ny Fanahy Masina sy ny heriny fotsiny ohatra dia ampy hahavoa ilay mavomavo, ary efa traikefa hitako matetika izany ). Somary lalina io fampianarana io ka nampahatory ny sasany.

8- Pasitera Ramamonjiarisoa Robert, Mpitandrina ao @ FJKM Betafo Fanavaozana Ambohimanarina
Fijoroana Vavolombelona

Efa nanao VINA maro sy goavana koa ry zareo. Ary dia henjana ny azy ny ‘critères’ rehefa handefa mpiantafika. Misy ny fiofanana tsy tapaka. Misy ny fifampizarana traikefa. Misy ny karazana ‘test’ mihitsy ho an’ireo andeha hiantafika. Manao ny Sekolin’ny Baiboly ry zareo hampitomboana hatrany ny fahalalana ny Soratra Masina mba hahomby @ asa fitoriana. Asa mitohy tsy tapaka avokoa izany rehetra izany. Rehefa RESY LAHATRA hoy izy ny BIRAOM-PIANGONANA dia milamina ary mitombo ho azy sady mitombo be dia be NY BUDGETn’ny Tafika Masina anatiny sy ivelany. Io ilay VINA, izany hoe ilay asa mahagaga ataon’Andriamanitra ao am-pon’ny tsirairay avy, na Biraom-piangonana izy na kristiana tsotra ( izay misy mahavatra manome be dia be tokoa ho an'ny Tompo ). Izany rehetra izany dia mpitranga sy fahita rehefa mijoro tsara ara-panahy ny Fiangonana iray. Dia mihoatra LAVITRA ny VINA noheritreretina ny zavatra mihatra. Ao ny fanorenana trano Fiangonana sy izay rehetra mahakasika izany, toy ny ‘panneau solaire’, ny ‘bancs’, ny fanaka manontolo, ny lamba rehetra, sns. Misy hatrany ny ‘pré-camp’ mialohan’ny asa fitoriana. Tsy maintsy hapetraka koa hoy izy ny ‘discipline’ ary henjana ny an-drizareo io ‘discipline’ io. ‘Discipline’ an’ny mpiantafika AFF no resahina eto. Ao anatin’ny tetik’asa an-dry zareo koa ny fanamboarana na fanavaozana ny ‘canal’ sy ‘canalisation’ eny @ fokontany, ny lalan-kely, ny biraon’ny fokontany, fampianarana ny zon’olombelona, ‘tournoi’ de foot et de basket-ball eny anivon’ny fokontany, sns. Ohatra mivaingana : nasian’ny Fiangonana FJKM jiro ny toerana maizimaizina rehetra ( fiaraha-miasa @ JIRAMA ), dia tsy nisy intsony ny mpanendaka an’elakelan-trano, tsy sahy nianika fasana intsony ny mpamosavy, ary lasa nifindra toerana ny makorelina mpivaro-tena. Foana ny fifohana rongony @ toerana maizimaizina ( izay lasa nazava ).

Rehefa mandeha ny mpiantafika an-dry zareo dia harifomba araka izay azo atao ny fitaovana entiny miantafika, toy ny :

Groupe électrogène matanjaka, ny sonorisation mobile, ny video-projecteur, ny lecteur DVD-CD, ny sonorisation autochargeable, ny ampli incorporé, ny TV grand écran na système projecteur, ny accessoires d’éclairage, ny kidoro éponges maro, ny vilany lehibe maro, ny fitaovan-dakozia, ny kojakojan’ny installation électrique, ny Baiboly ho zaraina, ny fihirana ho zaraina.

 

Sary Fihaonamben'ny S.A. AFF
Sampana Asa 'Asa Fitoriana ny Filazantsara'
Tany Fénérive Est ny taona 2016

Ravo.Madagascar webmaster Pensee Chretienne et le President du FJKM le Pasteur Irako Andriamahazosoa Ammi, Fenerive Est Madagascar, septembre 2016
Ravo ( webmaster Pensée Chrétienne ) sady
Filoha Mpanampy ny AFF - FJKM Ankadifotsy
Taona 2019 - 2023 ; sy
Ny Filohan'ny FJKM, Ny Mpitandrina Irako
Andriamahazosoa Ammi

 

Hafatry ny Filoha vaovaon'ny FJKM :

« Vontosy filazantsara ny nosy Madagasikara »

 

 

AFF niarahana t@ SPIA 19 tany @ faritr'i Morondava
Mission d'évangélisation dans l'Ouest de Madagascar
To broadcast the Gospel of Jesus with some FJKM churches

 

SA AFF SPIA 19 Synodamparitany Iarivo Avaradrano, Pasteurs FJKM Madagascar, Pasteur Heritiana et Pasteur Dina SA AFF SPIA 19 Synodamparitany Iarivo Avaradrano, Pasteur FJKM Madagascar, Pasteur Triomphe et les delegues du AFF FJKM Ankadifotsy : Faly et Ravo.Madagascar
Pasteur Heritiana - Pasteur Dina ( en rollover ) - Pasteur Triomphe
Les Délégués du FJKM Ankadifotsy : Ravo & Faly ( en rollover )

8 taona aty aorian'ny nitondrana azy amim-bavaka vao tanteraka ny tetik'asa : « Andeha hanaraka Ahy ... » iombonan'ny Fitandremana rehetra ao @ SPIA 19. Raha 950 teo ho eo ny mpiantafika navoaka ny taona 2016 dia tafakatra mihoatra ny 1400 izany ny taona 2017. 180 t@ ireo avy ao @ FJKM Andravoahangy Fivavahana. Isaorana Izy Andriamanitra. Ny 1 May teo no namoahana ny andiany faharoa, ka 213 avy @ andiany voalohany sy faharoa no nanatanteraka ny iraka, dia ny Asa Fitoriana ny Filazantsara ( AFF ) tany @ faritr'i Morondava ( tany Ankilizato 90 Km, tany Betsipotika-Analaiva 20 Km, tany Bemanonga 9 Km ary tany Andranomena-Marofandilia 40 Km miala an'i Morondava ). T@ ireo mpiantafika dia lehilahy ny 19 %. Ny Prezidà Synodaly SPIA 19 ny Pasitora Miarilaza, ny Filohan'ny AFF SPIA 19 ny Pasitora Dina ( FJKM Analakely ) ary ny Talen'ny Sekolin'ny Mpiantafika ny Pasitora Heritiana ( FJKM Analamahitsy ) no tompon'antoka sy mpitarika izao tetik'asa sy hetsika izao. Ravo ( AFF FJKM Ankadifotsy sady Ekipa môbile = Ekipan'ny ASAN' NY APOSTOLY ) no naka ny sary sy nanangona ary namintina ny lahatsoratra. Ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.

 

8 ans après les prières ferventes, le projet « Venez après Moi ... » se réalise. Un projet unifiant toutes les Eglises du Christ de Madagascar ( FJKM ) du Synode Iarivo Avaradrano SPIA 19 ( Synode du Nord d'Antananarivo ). Si environ 950 évangélisateurs furent formés l'an passé, ce chiffre a atteint plus de 1400 personnes cette année 2017 à la gloire du Christ. La 2e promotion fût sortie le 1er Mai 2017, plus de 200 d'entre eux et de la 1ère promotion ont accompli la Mission d'évangélisation ( AFF ) dans la région de Morondava les 16 au 21 Mai ( à Ankilizato, Betsipotika-Analaiva et Bemanonga, respectivement à 90 Km, 20 Km et 9 Km avant Morondava ; et à Andranomena-Marofandilia 40 Km après Morondava sur la direction des Tsingy du Bemaraha ). Ce projet est dirigé par les Pasteurs Miarilaza ( Président du Synode SPIA 19 ), Dina ( du FJKM Analakely, Président de la Mission au sein du SPIA 19 ), et Heritiana ( du FJKM Analamahitsy, Directeur de l'école des futurs évangélisateurs ). Photos et texte : Ravo ( webmaster de ce site Pensée-Chrétienne, AFF FJKM Ankadifotsy ). A Dieu seul est la gloire !

 

8 years after fervent prayers, the project « Come with Me ... » becomes real. A project of the churches of Jesus Christ ( FJKM ) of the SPIA 19 area. About 950 evangelists was trained last year and more than 1400 evangelists was trained this year 2017 ( on May 1st ). God thanks a lot. More than 200 persons ( from the 1st promotion and from the 2nd promotion ) have done the evangelical Mission to broadcast the Gospel of Jesus Christ ( AFF ) in Morondava area from 16th till 21st of May 2017. Ankilizato, Betsipotika-Analaiva, Bemanonga and Andranomena-Marofandilia were the villages which have received this Gospel of The Lord Jesus Christ. This project-mission is directed by Pastor Miarilaza ( President of the SPIA 19 area ), by Pastor Dina ( from the church at Analakely, President of the Mission ), and by Pastor Heritiana ( from the church at Analamahitsy, Director of the school which forms the evangelists ). Pictures and text of Ravo ( webmaster of Christian Thought, AFF FJKM Ankadifotsy ). To God is the glory for ever and ever !

 

AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Pasteur Walter et Pasteur Dina AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, President Hery du FJKM Ankadifotsy
Pasteur Walter & Pasteur Dina à Analaiva - Président Hery, Sissi & Manjato à Ankilizato
Fanja, chef du groupe LUC - Le grand bus du groupe LUC à Morondava ( en rollover )

Dia niainga ary ny mpiantafika avy ao @ SPIA 19 ny Talata 16 May hatramin’ny Alatsinainy 22 May 2017 ; nizara 5 araka ny fomba fiasa mahazatra ka ny tarika MATIO izay notarihan’i Mlle Domy tao Ankilizato, ny tarika MARKA notarihan’i Mme Baholy sy i Pasteur Walter tao Betsipotika sy Analaiva, ny LIOKA notarihan’i Mme Fanja tao Bemanonga ary ny JAONA notarihan’i Pasteur Rado sy i Mr Manana tany Andranomena. Noho ny resaka tsy fahandriam-pahalemana ( Dahalo ) izay tena nangotraka tany an-toerana dia voatery nafindra tany Andranomena ( 10 Km alohan’i Marofandilia ) fa tsy tany Marofandilia ny tarika JAONA rehefa avy niasa sy nitory indray andro manontolo tao sy tany Ampataka ( 50 Km aorian’i Morondava ). Niampy tarika iray ireo tarika 4 ireo t@ ity, dia ny tarika ASAN’ NY APOSTOLY izany izay nanomana ny fahatongavan’ny ekipa manontolo sy nanomana ny fivantanana tao Morondava ka niainga indray andro mialoha, notarihan’i Prezidà Hery ( FJKM Ankadifotsy ) sy i Mme Sissi ( FJKM Analakely ) io tarika farany io izay nantsoina koa hoe « Ekipa Mobile ».

 

Départ des évangélisateurs divisés en 5 équipes le mardi 16 Mai et retour le lundi 22 Mai 2017 ( soit 6 grands bus et 4 voitures légères ). L'équipe N° 1 de MATTHIEU dirigée par Mlle Domy travaillait dans la zone d'Ankilizato, L'équipe N° 2 de MARC dirigée par Mme Baholy et Pasteur Walter à Betsipotika et à Analaiva, L'équipe N° 3 de LUC dirigée par Mme Fanja travaillait dans la zone de Bemanonga et L'équipe N° 4 de JEAN dirigée par Pasteur Rado et Mr Manana évangélisait dans la région de Marofandilia et d'Andranomena. Pour cause d'insécurité ( banditisme, tirs, vols de groupes armés appelés les Dahalo ), l'équipe de JEAN n'a évangélisé à Marofandilia et à Ampataka ( 10 Km après Marofandilia sur la route de Belo sur Tsiribihy ) qu'en une journée seulement, puis elle s'est déplacée et a campé à Andranomena ( 10 Km avant Marofandilia sur la route de l'Allée des Baobabs ). C'était plus sûr à Andranomena. Une autre équipe renforçait ces 4 équipes : LES ACTES DES APOTRES qui pour préparer tout l'aspect logistique sont partis un jour avant tout le monde ; cette équipe N° 5 appelée également « L'équipe Mobile » a été dirigée par le Président Hery ( FJKM Ankadifotsy ) et par Mme Sissi ( FJKM Analakely ). Je faisait partie de cette Equipe N° 5.

 

Departure of this big Group of more than 200 persons ( in 6 big bus plus 4 van vehicles ) on 2017 May 16th till May 22nd. We were divided into 5 teams : the Team of MATTHEW directed by Miss Domy who were in Ankilizato area, the Team of MARK directed by Mrs Baholy and by Pastor Walter who were in Betsipotika and in Analaiva areas, the Team of LUKE directed by Mrs Fanja have worked in Bemanonga region and the Team of JOHN directed by Pastor Rado and by Mr Manana have worked in Marofandilia and in Andranomena areas. All these areas were not safe ( because of organized crime by Dahalo ), it's why the Team of JOHN didn't sleep in Marofandilia but in Andranomena ( 10 Km before Marofandilia ). Just they have evangelized in Marofandilia and in Ampataka ( 10 Km after Marofandilia ) only in one full day. A fifth Team : THE ACTS OF APOSTLES Team has prepared one day before the arrival of the four Groups everythings to be prepared such as the rooms ( usually at churches ), the food, the toilets, the shower-rooms, the supplies, etc. both in these villages and in Morondava at the end of the mission ( on Saturday May 20th and on Sunday May 21st ). This Team of The ACTS OF APOSTLES or « The Mobile Team » where I was, was directed by our President Hery ( from FJKM Ankadifotsy ) and by Mrs Sissi ( from FJKM Analakely ).

 

AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Dahalo a Betsipotika Morondava Madagascar d ou securisation des lieux par des elements du FJKM Analakely et du FJKM Ankadifotsy AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Sakalava people et Vezo people
Sécurisation du FJKM Betsipotika dans la nuit du 19 Mai avec le Pasteur Dina & Ravo
Population Sakalava d'Ampataka avec leur bois de cuisine
Sécurisation Betsipotika avec Alain & le groupe Jakar ( en rollover )
Enfants Vezo de Morondava avec leurs petits bateaux ( en rollover )

Santionany @ tontolo novantanina

Tsy ny toe-trandro ihany no mafana be na mahamay be any @ faritra nanaovana Tafika Masina, fa ny tontolon’ny tsy fandriam-pahalemana koa noho ny resaka Dahalo sy ny adiady etsy sy eroa. Porofon’izany ny tsy fahazoana mivoaka @ alina ( couvre-feu ), na tany Ankilizato, na tany Betsipotika ( izay ny masonay mihitsy no nahita ireo miaramila maro mitam-basy eny @ arabe ), na tao Bemanonga ( izay efa tsy lavitra an’i Morondava : 9 Km ), na hatrany Andranomena. I Marofandilia moa dia efa tsy nahazo natorianay raha izay no fikasana tany am-boalohany. Noho ny resaka Dahalo izay mirongatra dia manampatra ny fahefany tsindraindray ny Tafika. Mandeha ny tondro-molotra. Izay mahazo vato ambony dia enjehina sy karohina ka rehefa tratra dia vonoina tsy misy fitsarana. Tezitra t@ izany hetraketraka izany ny fokonolona ka dia rafitra ny ady ( fiantsiana sy fifampitifirana ) eo @ Tafika sy ny fokonolona. Ny Tafika ambara eto dia karazan’itony Emmo-Reg itony. Misy ny maty na eo @ andaniny na eo @ ankilany. Mandeha ny fampiasana ny ody mahery ( toy ny moara : tandrok’omby feno vovo-paty ), ka dia eo ny bala lasa rano, fa eo koa ny ody tsy mahery tampoka ka dia mivadika bala lasa bala. Dia mamono. Tsy lazaina intsony ny halatra omby. Ny masonay tarika ASAN’ NY APOSTOLY koa no nahita tao Ankilizato, ny Talata 16 May, filaharam-be ary tsy ankijanona, ray aman-dreny mitondra ireo zanany lahy kely atao didim-poitra. Maro dia maro izy ireo. Noho ny tahotra ilay fanahy ratsy mandehandeha eny rehetra eny ka manao didim-poitra ny zazalahikely mbola tsy vita didim-poitra ary mitroka ny ran’ireo zazakely ireo avy eo ka mahafaty azy. Tahotra sy horohoro ny tao @ tananan’Ankilizato ( sy ny faritra manodidina ). Tahotra sy horohoro no manjaka any ! Iray karazana @ ilay fanahy maloto antsoina hoe « Rabokona » ity resahina eto ity.

Le contexte sur place à notre arrivée

Non seulement le climat est très chaud ( et sec, très peu de pluies durant l'année précédente ), mais très chaud également en ce qui concerne l'insécurité. Et ce sur toute la zone où on était. A cause des actes de banditisme des Dahalo, de la répression de l'armée et des guéguerres ici-et-là. Aussi durant tout notre séjour là bas, c'était le couvre-feu partout. A Betsipotika, on a vu la nuit ( car en tant qu'équipe mobile, on était obligé de se déplacer de temps en temps ) toute une armée faisant la ronde avec leurs fusils d'assaut. A cause de l'insécurité, l'équipe de JEAN était obligée de se déplacer et de dormir à Andranomena et non à Marofandilia comme prévu au départ. Avec les Dahalo, c'est la terreur partout ( et ce jusqu'à Morondava ville ). Vols de troupaux de zébus, incendier des villages entiers. De ce fait les militaires font leur travail de répression, mais pas de quartier également. Sur simple indication, l'armée tue les gens et souvent d'une façon atroce. Les villageois sont contre ces interventions manu militari et ont décidé de contre attaquer. D'où 2 armées face à face utilisant les fameux gris-gris et les forces du mal ( ody gasy sy ody mahery ), changeant les balles réelles en ... eau ; comme des fois ça ne marche pas à cause des gris-gris plus puissant de l'un ou de l'autre, ces balles réelles restent des balles réelles et donc tuant plus d'un. Ce sont nos propres yeux également qui ont vu ( de l'équipe des ACTES DES APOTRES ), cette fois-ci à Ankilizato, le mardi 16 Mai, une très longue queue interminable durant une journée entière de parents emmenant leurs petits garçons pour être circoncis à la hâte. Un esprit malveillant paraît-il qui se déplace silencieusement et circoncis les petits garçons et qui après suce leur sang entrainant la mort de ces petits anges. D'où terreur et peur totale sur Ankilizato et dans toute la région ( allant jusqu'à Morondava en passant par Bemanonga ).

The context there when we arrived

Not only the climate was very hot ( and very dry because no rain ) but it was unsafe too. The danger was everywhere and it was very hot too. Because of Dahalo, a group of people who steal cattle of zebus ( oxes ) and who burn a lot of villages. There are a lot of groups of Dahalo. The intervention of the army is very strong too. They kill everyone supposed as a Dahalo member. Without judgement and they kill them with atrocity. In all these areas you can not go out on the night, we have seen a lot of soldiers with their guns at night in Betsipotika area. I've seen it there. Because of this situation the Team of JOHN who was previously planned to sleep in Marofandilia was slept in Andranomena ( 10 Km before Marofandilia ) where it was more safe. The terror ( a feeling of extreme fear ) was everywhere ! The people was not happy with the action of the army ( atrocity and without judgement ), so they have decided to fight against the soldiers. Every camp uses the famous Malagasy power of darkness ( power of evil being ) : the ody gasy and the ody mahery, the moara. You cry 'water - water' and the bullets of your enemy become ... water. But sometimes the ody mahery of your enemy is more powerful than yours so you cry 'water - water' but the bullets of your enemy are always true bullets. So some people die ( from the villagers and from the army ). The Team of ACTS OF APOSTLES have seen too in Ankilizato ( when we have put there the equipment of their shower and toilets ) a very long single file and during the whole day of Tuesday May 16th ; these were single file of parents who have taken their little sons to be circumcised. Because a bad spirit do it to every boy who was not circumcised, then this bad spirit drinks after the blood of the little boy and the little boy dies. Again a complete terror has reigned in Ankilizato and in its whole area, and in some places of this west part of Madagascar.

 

AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, les Eglises de Jesus Christ a Madagascar : Bemanonga, Ankilizato, Betsipotika AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, es Eglises de Jesus Christ a Madagascar : Bemanonga, Ankilizato, Betsipotika
FJKM Bemanonga : aucun battant ni aux portes ni aux fenêtres - FJKM Ankilizato
Toujours le FJKM Bemanonga - FJKM Betsipotika ( en rollover )

Manoloana izany, manao ahoana kosa ny tontolon’ny Fiangonana tany an-toerana

Ny Fiangonana FJKM ao Ankilizato no ho raisintsika ohatra. Saika mitovitovy aminy ny an’ireo Fiangonana hafa. Manao ezaka araka izay tratra tokoa ny kristiana any an-toerana izay misy mpandray eo @ 80 olona eo ho eo ka ny 60 @ ireo no tena mazoto. Ireo no natafatsangana trano Fiangonana tao anatin’ny 10 taona. Trano Fiangonana « en dur : ciment », misy « dalles carreaux » sy tafo fanitso ary « banc » maro ; azo lazaina hoe vita tsara izany Fiangonana izany. Tsy mbola nisy hatreto ny fanampiana avy any ivelany, fa ny rakitra sy ny vokatr’ireo mpiangona no nahavitana izany. Fa ireo Fiangonana hafa kosa dia tena mampalahelo mihitsy ( ny rivo-doza mandalo tsindraindray rahateo manginy fotsiny ; sy ny hetraketraky ny Dahalo ), toy ny Fiangonana FJKM ao Ampataka, ao Marofandilia, ao Andranomena ary ao Betsipotika, ka tena iangaviana antsika Fitandremana aty an-drenivohitra ( Antananarivo ) sy manerana an'i Madagasikara @ fanampiana na @ fiantohana tanteraka azy ireo ahavitana ny trano Fiangonana. Sahirana toy izany koa ny Fiangonana FJKM ao Bemanonga na dia efa vita « en dur » aza. Goailaka ( gony lava be sy ngeza ) nentinay mpiantafika no hidim-baravarana sy hidim-baravaran-kely tany.

Le contexte des Eglises du Christ ( FJKM ) sur place

Prenons exemple sur l'Eglise FJKM d'Ankilizato. Sans aide extérieure ni aucun sponsoring jusqu'à maintenant ( Mai 2017 ), grace à Dieu, les fidèles sur place ( environ 80 chrétiens adultes dont environ 60 chrétiens fervents ) ont tout fait en 10 ans pour bâtir leur Eglise en dur, avec dalles en carreaux, toiture en tôles et des bancs. Et ce en dépit de l'insécurité, des Dahalo et de la terreur sur toute la région Ouest de Madagascar. Une belle église. Par contre les autres Eglises du Christ FJKM qu'on a visité sont en piteux état. Dans une région sans pluie et aride où la vie est très dure et où le peuple est pauvre, sans compter le passage des cyclones et les actes de banditisme des Dahalo. On a tous dormis dans les Eglises FJKM, et dans toutes ces Eglises ( à l'exception de l'Eglise FJKM d'Ankilizato ) il y avait des portes et des fenêtres mais sans serrure ni cadenas d'où on pouvait entrer et sortir facilement le jour comme la nuit. Et même l'Eglise du Christ FJKM de Bemanonga ( à 9 Km seulement de la ville de Morondava ) n'avait encore ni battant de porte ni battant de fenêtre ; on utilisait juste nos larges sacs de jute ( Goailaka ) en guise de fermeture des portes et des fenêtres. Appel lancé à toutes les Eglises chrétiennes de Madagascar et du monde entier pour les aider à finir la construction de leurs Eglises ( à Ampataka, à Andranomena, à Marofandilia, à Betsipotika, à Bemanonga et à Ankilizato ).

The context of the church of Jesus Christ there

Let's take for example the church of Ankilizato ( FJKM Ankilizato ). They have built themselves without sponsoring their own church, in 10 years, just around 80 christians ( 60 of them are fervent christians ). A beautiful church in cement with the bottom in hard tiles, with the roof in sheet metal and with some benches. They have built it in spite of insecurity and terror because of the Dahalo. The whole area ( from Ankilizato till Marofandilia-Ampataka and Belo Tsiribihy ) is a very dry area and a very hot area, so the people have a big problem for their crops, so the people are poor or very poor or very very poor. Because of this reason, the other churches are in a sorry state and pitiful. We have slept in the churches during our evangelical mission, and all of them ( except the church of Ankilizato ) have doors and windows but without padlock. Everyone can go inside and can go outside easily during the day and during the night. Our nights were not safe ! The big church of Bemanonga ( only at 9 Km before the town of Morondava ), a big church in cement too, has no swing door and no swing windows, we have put just our big and large sack of jute on the doors and on the windows to protect us. It's why we invite all the christian churches everywhere in the world and all the christians everywhere in the world to help the churches there ( Ampataka, Andranomena, Marofandilia, Betsipotika, Bemanonga, Ankilizato ) to built or to finish their construction, thank you.

 

AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Ankilizato AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Bemanonga et Analaiva
L'équipe des ACTES DES APOTRES construisant le WC du groupe d'Ankilizato
En background les douches en sac de jute ( Goailaka ) FJKM Bemanonga
L'équipe môbile construisant le WC du groupe d'Ankilizato ( en rollover )
Analaiva : les Directeurs du Lycée et Pasteur Walter ( en rollover )

 

Nahavita be ary nahavita tsara izahay 200 mahery avy ao @ Mpiantafiky ny SPIA 19. Anjaranao ny manao kajy tsotsotra ny @ ireo tokan-trano notsidihina ka nanaovana asa fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy, satria dia i Jesoa Kristy Fiainana sy Mpamonjy no nambaranay tany sy teny rehetra teny. Inty ary no kajy tsotsotra ataonao : 200 mahery no isanay mpiantafika. Roa andro sy tapany no tena niasana nitoriana ny Filazantsara ( porte-à-porte ), dia ny Alarobia, ny Alakamisy ary ny Zoma maraina. Takariva mahafinaritra ny Zoma hariva ( 15h à 18h ) noho ny resaka tsy fandriam-pahalemana. Raha @ 8 ora eo ho eo ka hatramin’ny 12 ora ny maraina, dia @ 3 ora eo ho eo ka hatramin’ny 5 ora ny tolakandro no mizara ho olona 3, na 4, na 5 isaky ny ekipa mpiantafika, ka ny ekipa iray dia miantrano eo @ 15 mn hatramin’ny 30 mn eo ho eo isaky ny tokantrano novangiana. Nahavita tokantrano firy izany ireo mpiantafika ? Maromaro ihany hoy izahay tsy dia mahay manao kajy ( fa mahay mitory kosa ) ; na dia ekena aza fa noho ny fotoana fohy, dia mbola betsaka ny faritra tsy vita. Momba ny tsy fandriam-pahalemana dia nanampy anay ireo « Quartier Môbile » sy ireo « Zandary » toy ny tany Betsipotika, asa anefa fa dia mbola tafiditra tao am-piangonana t@ alina ihany ireo Dahalo ( roa lahy ). Tratran'ny Zandary izy ireo, dia afaka nilefa indray avy eo ( ... ).

 

Nous avons proclamé dans toutes ces régions l'essence même du Christ : Sauveur et Seigneur. Nous avons proclamé dans toutes ces régions le Christ qui donne la vie et qui la donne en abondance ( Jean 10 : 10b ). Pour les férus de statistique à vous de faire un petit calcul : on était plus de 200 personnes, divisées en équipes de 3 à 5 personnes de chaque. On a travaillé en 2 jours et demi, soit de 8h à midi et de 15h à 17h. Chaque équipe évangélisait dans une maison ( système de porte-à-porte ) entre 15 mn à 30 mn environ. Question : combien de maisons à peu près avions-nous évangélisé ? On a évangélisé les Mercredi, Jeudi et Vendredi matin ; le Vendredi 19 Mai 2017 après-midi a été moment de fête ( cantiques accompagné de danse ou de mouvement d'ensemble, sketches, etc. ). On a dû le clore à 18h ( ou à 17h ) à cause de l'insécurité sur place. Vu la contrainte au niveau temps ( 2 jours et demi seulement ), vu l'insécurité sur toute la zone Ouest de Madagascar, beaucoup de gens n'ont quand même pas pu être évangélisés. On a été aidé à certains endroits par les gendarmes et par les forces de sécurité du peuple. Malgré celà, des Dahalo ( deux Dahalo ) ont pu s'introduire là où dormait l'équipe de MARC dans le Temple de Betsipotika dans la nuit du Jeudi 18 Mai et ont pu voler pas mal d'argent et un ordinateur portable. Ces 2 Dahalo ont été arrêtés par la gendarmerie pour pouvoir s'enfuir de nouveau par la suite ( ... ).

 

We have done our evangelical Mission to broadcast the Gospel of Jesus Christ ( AFF ), to proclaim that Christ is The Lord, to proclaim that Christ is The Saviour, to proclaim that Christ gives us life and gives us it in all its fullness ( John 10 : 10b ). For those who love statistics you can do it yourselves : we were more than 200 persons divided into 3 to 5 persons for each team. Each team has worked around 6 hours per day during 2 days and half ( Wednesday, Thursday and Friday morning ) and each team has proclaimed the Gospel of Jesus in a house during 15 mn to 30 mn. Question : about how many houses did they proclaim the Gospel of Jesus ? On Friday afternoon ( May 19th ) we have had an evangelical show ( skteches, singing with or without gestures, etc. ). Because of insecurity we have had to stop our show around 5 p.m. But a lot of people and a lot of houses didn't hear this Gospel of Jesus Christ because we had not enough time ( just 2 days and half ) and because of insecurity there. In some places, the army and the people have helped us to make safe the area. In spite of it two dangerous burglars ( Dahalo ) have gone into one of our church in the night of Thursday May 18th to steal some money and a laptop of our friends ; it was in Betsipotika FJKM church with the Team of MARK. The army have taken the 2 burglars, then the 2 burglars have run away later ( ... ).

 

AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Ny Mpiandry SAFIF Fifohazana AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Ny Mpiandry SAFIF Fifohazana
Les Mpiandry de MATTHIEU & de MARC en action, au Lycée d'Analaiva
FJKM Marofandilia également sans battant ni aux portes ni aux fenêtres ( en rollover )

Asan’ny Mpiandry ( SA-FIF : SAmpana FIFohazana ) tao Analaiva

Noho ireo asa fitoriana ny Filazantsaran’i Jesoa Kristy nataon’ny mpiantafika 200 mahery tany an-toerana dia nihetsika Ambalavelona ireo mpianatra tany Analaiva ( na ny tao @ CEG, na ny tao @ Lycée, na hatrany @ mpianatr’i Masera ). Niasa mafy t@ izany ireo Mpiandry tao Betsipotika ( izay toerana akaiky indrindra an’Analaiva, 10 Km avy eo eo ho eo ), na dia efatra fotsiny aza izy ireo. Notarihan’i Pasitera Walter sy i Pasitera Dina izany asa tao Analaiva izany ny Alakamisy 18 May 2017. Nakana « renfort » manokana : Mpiandry 16 vehivavy ( satria ny mpianatra vehivavy ihany no voan’ity aretina Ambalavelona ity ) avy ao Ankilizato ( Tarika MATIO ) hanao ny asa tao Analaiva ny Zoma 19 May 2017. Niarahana t@ ireo Talen-tsekoly sy ireo lehiben’ny faritra Analaiva. Vita tsara koa io asa io izay notarihan’i Pasitera Walter izay isan'ireo mpitarika ny Tarika MARKA tao Betsipotika.

 

A cause de notre action d'évangélisation dans la région, le phénomène étrange d'Ambalavelona s'est déclenché à Analaiva ( chez les étudiantes des écoles secondaires et du lycée sur place, y compris chez l'école catholique des Soeurs d'Analaiva ). Ce phénomène est un mouvement d'ensemble de plusieurs jeunes filles qui entrent en transe ( spiritisme ) et qui de ce fait perdent tout contrôle de soi jusqu'à se déshabiller totalement. Une sorte de nirvana ( domaine du spiritisme ). En général quand ça se produit, c'est toute les filles d'une école ou à peu près la moitié des filles de l'école sont atteintes simultanément. C'est le phénomène d'Ambalavelona. Les Directeurs et les hauts responsables de ces écoles d'Analaiva ont donc tout de suite fait appel aux Mpiandry de l'équipe de MARC de Betsipotika dirigée par le Pasteur Walter pour intervenir et pour soigner spirituellement parlant. Ils n'étaient que 4 seulement ce jour là ( Jeudi 18 Mai ). Les Mpiandry sont des personnes formées spécialement par l'Eglise de Jésus Christ de Madagascar ( FJKM ) pour intervenir dans tout acte démoniaque tel que l'Ambalavelona. Le Pasteur Dina ( Président de la Mission d'évangélisation du SPIA 19 ) était également sur place. On a dû appeler du renfort chez notre équipe à Ankilizato ( l'équipe de MATTHIEU ), soit 16 Mpiandry du sexe féminin qui sont arrivées le Vendredi et ont fait leur travail le jour même. On m'a appelé également là bas, à Analaiva, ce Vendredi pour la couverture photos et pour vous décrire tous ces évènements. Sinon la plupart du temps, j'étais basé à Bemanonga ( à 9 Km avant Morondava ) avec mon équipe : l'équipe môbile DES ACTES DES APOTRES.

 

Because of our evangelical mission in the whole area, the Ambalavelona has strike some girls at the schools in Analaiva ( at the junior highschool, at the senior highschool and at the catholic highschool of Analaiva, nearby Betsipotika ). It was on Thursday May 18th. The Ambalavelona is a special phenomenon where some or a lot of young girls go together into a trance ( spiritualism ). These girls are like hypnotized and have not the control of themselves. Most of times they got undressed. Immediately the Directors of these schools have called our friends in Betsipotika to intervene and to work. There were only 4 persons to do that, 4 persons directed by Pastor Walter ( chief of MARK Team ) and by Pastor Dina ( chief of this evangelical mission in Morondava area ). The day after ( on Friday May 19th ), we have called 16 Mpiandry from MATTHEW Team ( from Ankilizato ) to continue the work and the intervention. These Mpiandry were women Mpiandry. A Mpiandry is a special person who was trained by the churches of Jesus Christ in Madagascar ( FJKM ) to intervene in all evil beings and evil spirits phenomenons. I was there too ( in Analaiva ) on Friday 19th to take pictures and to tell you what's happen. Most of times I was in Bemanonga ( nearby Morondava ) with my Team of THE ACTS OF APOSTLES.

 

AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Pasteur Miarilaza PS President du Synode du SPIA 19, Synodam-paritany Iarivo Avaradrano, Pasteur Toky Bemanonga AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava
Pasteur Miarilaza, Président du Synode SPIA 19 & Pasteur Toky de Bemanonga
Nos grands bus qui stationnaient au Lycée de Morondava en bord de mer
L'Allée des Baobabs & moment de détente en bord de mer ( en rollover )
Luciana, Voahirana, Faratiana, Bodomanana - Bako & Hanitra Ankadifotsy

 

Ny Sabotsy sy ny Alahady dia fakana aina sy fitsangatsanganana ho setrin’ny asa mafy vita nandritry ny 2 andro sy tapany ( ny asa fitoriana ny Filazantsara, ny filaharana wc sy douche manomboka @ 3 ora maraina, ny dia an-tongotra, ny tsy fahandriam-pahalemana sy izay mety ho fitaintainan’ny tsirairay avy, ny fiantsenana sy ny fikarakarana ny sakafo satria dia izahay Mpiantafika ihany no nikarakara ny sakafonay rehetra nandritra ny fijanonana tany, afa tsy ny an’i MARKA izay ny kristiana tao Betsipotika no nanolo tena hikarakara azy ireo, vitsy rahateo ry MARKA satria olona 25 fotsiny ry zareo. Mpiantafika 71 ry MATIO ( Ankilizato ) ka Mpiandry ny ankamaroany. 60 na 66 teo ry LIOKA ( Bemanonga ). 36 olona ry JAONA. Ary nisy Mpiantafika 18 tao aminay ASAN’ NY APOSTOLY. Dia mbola niampy an’ireo Mpitarika vitsivitsy ( olona 8 ) toa an-dry PS ( Prezida Synodaly SPIA 19, ny Mpitandrina Miarilaza ) sy ry Pasitera Dina mivady. Ny Pasitera Toky ( Mpitandrina ao Bemanonga rehefa avy nitandrina tany Ankilizato ) no tena nandray anay tany sy nandrindra ny zavatra rehetra hatrany Ankilizato ka hatrany Andranomena-Marofandilia-Ampataka. Ny Sabotsy sy ny Alahady 21 May 2017 ary dia fividianana voan-dalana ( indrindra ny voan’ny Baobabs ), fitsidihana ny tananan’i Morondava, filalaovana ranomasina ( tonga hatrany @ plage-n’i Kimony ny sasany ) ary indrindra fitsidihana ilay zava-boahary malaza eran-tany antsoina hoe « Allée des Baobabs » izay tena tian’ireo Japoney tokoa.

 

A cause du travail dur d'évangélisation des 2 jours et demi ( les Mercredi, Jeudi et Vendredi matin ), les Samedi et Dimanche furent consacrés au repos, visite de la ville de Morondava et de son marché, achats de souvenirs dont spécialement les fruits de Baobab, plage dont certains ont pu apprécier la magnifique plage de Kimony et la visite de la fameuse ... « Allée des Baobabs » de Morondava, présente dans tous les cartes postales, les dépliants, les brochures et les pages web concernant Madagascar. On a travaillé dur, car outre la mission d'évangélisation proprement dite et les marches à faire, il a fallu se réveiller tous les jours vers 3h du matin pour la queue des douches et des toilettes ( wc ), il a fallu acheter nous même nos provisions et il a fallu préparer nous même nos 3 repas par jour ( par équipe en rotation ). Il n'y avait que l'équipe de MARC ( Betsipotika ) qui ont été exemptée de cuisine vu qu'ils étaient peu nombreux : 25 personnes seulement ( les villageois chrétiens de Betsipotika se sont occupés d'eux ). L'équipe de MATTHIEU comptaient 71 personnes, LUC 60 ou 66 personnes, JEAN 36 personnes ( L'équipe de JEAN a subi le plus dur du côté condition de vie sur place : sans électricité, très peu d'eau et beaucoup de moustiques ) ; et nous ( car j'en faisais partie ) équipe des ACTES DES APOTRES nous étions 18 personnes. A celà s'ajoute les dirigeants du mouvement tels que le Président de notre synode SPIA 19, le Pasteur Miarilaza, le Président de la Mission d'évangélisation AFF du SPIA 19, le Pasteur Dina Razaf ; au total cette équipe dirigeante était de 8 personnes. Sans oublier le Pasteur Toky, le pasteur sur place ( Pasteur de Bemanonga , ancien Pasteur d'Ankilizato ) qui a énormément travaillé dans notre accueil, dans nos mises en place, du côté logistique, en aides fort appréciables, en conseils, etc.

 

Because of the hard work that we have done during 2 days and half ( on Wednesday, on Thursday and on Friday morning ), hard work not only for the evangelical mission and for the hiking every day, but too to buy our food and to prepare to cook it 3 times a day ( we have cooked our own meals ). Hard work too because every one have to wake up every day around 3 a.m. for shower and toilets ( there were very few shower-rooms and very few toilets-rooms for a lot of people, for more than 200 people ). No electricity so no light and no phone charger at Betsipotika and at Andranomena ( MARK Team and JOHN Team ). Very few water ( for shower and for drinking ) for JOHN Team at Andranomena. And a lot of mosquitos every night for everybody. The number of the evangelists were : 71 people for MATTHEW Team, only 25 people for MARK Team, 60 or 66 people for LUKE Team, 36 people for JOHN Team ( they have had the hardest condition of life ), 18 people for THE ACTS OF APOSTLES Team ( where I was ), and 8 people for the high Staff of the SPIA 19. Plus the Pastor Toky ( Pastor of Bemanonga : LUKE Team ) who has worked very hard to prepare our arrival, to introduce us everywhere, to help us to find supplies, to advise us, etc. So because of the hard work during 2 days and half, we had a rest on Saturday and on Sunday : to visit the town of Morondava and its market and its beach, to buy souvenirs such as Baobab fruits and to visit the famous ... « Baobabs Avenue » nearby Morondava.

 

AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, Ny AFF Tafika Masina an ny FJKM Ankadifotsy AFF, FJKM Madagascar, SPIA 19 Morondava, The high Staff of the SPIA 19
FJKM Ampataka en piteux état
La cuisine à Morondava assurée par l'équipe de Manana, ici : Manjato & Alain
Les AFF du FJKM Ankadifotsy ont été les plus nombreux à Morondava ( en rollover )
Le Staff du SPIA 19 ( en rollover ) - Pour le groupe du FJKM Ankadifotsy, debout de G à D :

Augustine, Liva, Voahangy, Claudine, Saholy, Irmà, Haja Zoely, Alain, Michelle, Rinah, Miarisoa, Voahangy,
Bako, Hanitra, Faliary, Président Hery, Robine, Voahirana, Totoa Dety, Dadan'i Rija - Accroupis de G à D :
Marie-Claire, Noro, Ravo ( webmaster ), Lalao, Luciana, Faratiana, Claudie, Tojo, Fahizà, Miary,
Manana & Totoa Rety - Absentes sur la photo : Voahangy Be, Tine, Julie, Présidente Lanto,
Totoa Saholy, Bodomanana & Herivonjy - Manana was the 2nd Chief of JOHN Team

 

 

Nanomboka ny asa na namaky lay ( arakaraka ireo toerana ) izahay Mpiantafika 200 mahery avy ao @ Synodam-paritany Iarivo Avaradrano SPIA 19. Koa antsoina isika Fitandremana hanohy ny asa @ alalan’ny fanohizana ny asa fitoriana any an-toerana sy indrindra @ alalan’ny fanampiana ireo Fiangonana FJKM any an-toerana mba hahavitan’ireny ho vita soa ho vita tsara ( FJKM Ankilizato, FJKM Betsipotika, FJKM Bemanonga, FJKM Andranomena, FJKM Marofandilia ary FJKM Ampataka ). Io no « suivi » andrasana amintsika Fitandremana tsirairay, na Fitandremana matanjaka izy na Fitandremana tsotra, na Fitandremana avy ao @ SPIA 19 izy na Fitandremana tsy avy ao, eny fa hatramin'ny Fitandremana any @ faritany aza. Azo atao tsara @ fanorenana ireo Fiangonana ireo ny miasa tsirairay, na tsiroaroa, na tsitelotelo ( Fitandremana telo ohatra ). Toy izay natao raha nanangana ny FJKM tany Beroroha, izay niarahan’ny Fitandremana Isotry Fitiavana sy ny Fitandremana Analakely. Koa samia mahefa be hatrany tompoko, @ hazakazaka ataontsika ho an’ny Tompontsika Jesoa Kristy. Ho tahian'ny Tompo anie isika mianakavy, Amena !

 

Chers lecteurs, nous, évangélisateurs au sein du Synode Iarivo Avaradrano SPIA 19 ( Synode du Nord d'Antananarivo ) des « Eglises de Jésus Christ de Madagascar » ( FJKM ), avons commencé cette mission d'évangélisation dans l'Ouest du pays ( region de Morondava et des Baobabs ). Pour la suite de cette mission, à savoir pour d'autres missions sur place ( appelé suivi ) et surtout pour l'édification et la finition de la construction des « Eglises de Jésus Christ de Madagascar » ( FJKM ) sur place ( à savoir les FJKM Ankilizato, FJKM Betsipotika, FJKM Bemanonga, FJKM Andranomena, FJKM Marofandilia et FJKM Ampataka ), nous invitons tous les autres Eglises FJKM qu'elles soient au sein du SPIA 19 ou non, qu'elles soient dans la région d'Antananarivo ou en provinces ( les 6 provinces, soient les 22 régions de Madagascar ). Nous invitons également les Temples et les Eglises chrétiens du monde entier à participer à ce suivi de finition de construction d'Eglises dans ces régions sus-citées ( Ankilizato, Betsipotika, Bemanonga, Andranomena, Marofandilia et Ampataka ). Avec nos remerciements d'avance, à la gloire de Dieu, Le Tout-Puissant, Le Dieu d'Amour. Que Dieu vous bénisse tous, chers lecteurs, Amen !

 

Dear readers,
We have began the evangelical mission at the West part of Madagascar ( Morondava area and the Baobabs area ). It was a project of the churches of Jesus Christ ( FJKM ) of the SPIA 19 area. Now we invite you to continue the mission. For example to send there other evangelists. Or to help the churches of Jesus Christ ( FJKM ) there ( Ankilizato, Betsipotika, Bemanonga, Andranomena, Marofandilia and Ampataka ) to built or to finish the construction of their churches. Now we invite you to do that : you which are FJKM inside the SPIA 19, you which are FJKM outside the SPIA 19, you which are FJKM everywhere in Madagascar and you ( christian churches, christian people, individual christians ) everywhere in the whole world. Thank you very much ! To God is the glory for ever and ever. God bless you, Dear readers, God bless you and your family, Amen !

 

Sary Ravo.Madagasikara May 2017
Photos : Ravo.Madagascar Mai 2017
Many thanks to my brother Ramy to have borrow me his camera FUJIFILM Finepix S

 

« Dia hoy Jesoa : Andeha hanaraka Ahy, fa ataoko mpanarato olona ianareo » ( Matio 4 : 19 )

« Et Jésus dit : Venez après Moi, et Je vous ferai pêcheurs d'hommes » ( Matthieu 4 : 19 )

« Jesus said : Come with Me, and I will teach you to catch men » ( Matthew 4 : 19 )

 

logo SPIA 19 FJKM, logo AFF FJKM, Tafika Masina, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary, Ravo.Madagascar logo SPIA 19 FJKM, logo AFF FJKM, Tafika Masina, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary, Ravo.Madagascar logo SPIA 19 FJKM, logo AFF FJKM, Tafika Masina, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary, Ravo.Madagascar

 

 

 

 

FIJOROANA VAVOLOMBELONA ataoko, izaho Ravo
momba ny Herin'Andriamanitra
momba ny Tenin'Andriamanitra
momba ny fiarovan'Andriamanitra

 

       

Natao hiainana avokoa ny TENY-n'Andriamanitra rehetra ! Izy rehetra ! Tena tsara aloha ny mahay Azy ( dia ny Teniny ) raha azo atao ; fa tsy ampy ny mahay fotsiny ireny TENY-n'Andriamanitra ireny, fa tokony ho tena hiainana izany, fa izany no fiainana miaraka @ Andriamanitra. Noho ny asako, dia maro be ny zavatra azoko hijoroana vavolombelona ny @ fitahian'Andriamanitra antsika. Ity ambara eto ity dia santionany iray monja @ izany. Fa hoy NY TOMPO dia IZY ANDRIAMANITRA TSITOHA ao @ Salamo 121 ( ny andininy manontolo, miampy ny sora-mandry eo amboniny ) :

Fahatokian'izay manana an'i JEHOVAH ho Mpiaro azy ( antsoina koa hoe : « Le Psaume des voyageurs » )

Manopy ny masoko ho @ tendrombohitra aho ; avy aiza ny famonjena ahy ? Ny famonjena ahy dia avy @ JEHOVAH Mpanao ny lanitra sy ny tany. Tsy mba avelany hangozohozo anie ny tongotrao ; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Israely. JEHOVAH no Mpiaro anao ; JEHOVAH no fialofanao eo @ ankavananao. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, na ny volana nony alina. JEHOVAH hiaro anao @ ratsy rehetra ; eny, hiaro ny fanahinao Izy. JEHOVAH hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin'izao ka ho mandrakizay. Amena.

 

 

Volana Jolay taona 2014
Faritr'i Bongolava, faritra tena mena @ resaka Dahalo
Belobaka Borne - Ankavandra - Reniranon'i Manambolo

     
logo SPIA 19 FJKM, logo AFF FJKM, Tafika Masina, Pensée Chrétienne, webmaster Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary, Ravo.Madagascar
                     

Noho ny antony manokana dia hisy anarana vitsivitsy tsy ho tononiko eto. Efa fanaoko imbetsaka ity tantaraiko eto ity, satria io no asako hatreto ( 2020 ). Azo atao hoe efa haiko tsara izany. Saingy t@ ity indray mitoraka ity dia tratran'ny atao hoe « ny tampoka tsy maha-lehilahy » ny tenako. Na dia tsy misy aza izany tampoka izany @ Andriamanitra, fa amintsika olombelona no misy ny atao hoe : tampoka. Hiazo an'iny faritr'i Bongolava iny ny tenako, nisy vitsivitsy izahay ( izany hoe iray fiara, fiara tsy mataho-dalana 4x4 ), tsy fanaoko ity, fa nentiko ny zandriko lahy t@ izay. Ramy no anarany, ary matetika dia ny fakan-tsariny no entiko maka ny ankamaroan'ny sary ato sy ny sary @ fitantarana rehetra eo ambony ( fakan-tsary semi-professionnel ). Dia natory tao TSIROANOMANDIDY aloha izahay sady nividy 'provisions' be dia be. Ao TSIROANOMANDIDY no mahita fandriana farany satria avy eo dia hamakivaky 'zone rouge' Dahalo, tsy hisy tanana intsony mandritry ny andro maromaro. Ny sasany @ ireo namako mitondra basy rehefa mankany @ iny faritra iny ( efa nisy nampiseho ahy izany tany ) ; ny ahy kosa tsy misy basy, tsy misy antsy lava, fa dia ny fahatokiana an'ANDRIAMANITRA TSITOHA irery ihany. Saika isaky ny mandeha any aho dia mifanena mandrakariva @ Dahalo. Tonga dia fantatro hoe Dahalo ity na tsia. Efa zatra aho. Atao hoe isaky ny mandeha mankany aho ( dia iny faritr'i Bongolava manontolo iny izany ) dia TSY MAINTSY mifanena @ Dahalo. Tsy sangisangy io Tompoko, fa izaho miteny aminao hoe : aza mankany raha olon'ny tahotra ianao. Aza mankany !!! Fa ny ahy moa asa aman-draharaha fivelomako ka tsy maintsy handehanako, sady tsy matahotra aho na kely aza noho ilay fahatokiako Ilay Mpiaro ahy dia IZY ANDRIAMANITRA RAY TSITOHA !

 

 

Dia roso ny dia, nandao an'i TSIROANOMANDIDY izahay, hiazo an'i BELOBAKA. Tsara ny andro, tena tsara ny andro ! Manga ny lanitra ! Andao indray isika mirahalahy haka sary eto, hoy aho t@ zandriko lahy. Dia mbola niantsena farany tao BELOBAKA hividy toy ny hena, sns. Teo no nanomboka tokony ho taitra aho, fa tsy taitra, satria efa fanaoko ny asa. Tsy nisy mpitsena izahay. Ny marina manko dia tokony hisy olona iray na roa foana mitsena anay eo BELOBAKA. Miara-miantsena aminay. @ ankapobeny dia ny mpahandro sakafonay no tokony ho iray @ ireo olona mpitsena ireo. Tsy nisy tao ry zareo. Tokony ho tonga dia mailo tanteraka aho. Niantso ny orinasa ihany aho hoe nankaiza ny mpitsena ? Tsy nisy valiny mazava azoko ( izay no maha-Madagasikara an'i Madagasikara - mi-démerde ianao hoy ny fiteny izay ). Marihiko fa eto BELOBAKA no ahazoana 'réseau' farany, na Telma io, na Airtel, na Orange ; tsy mahazo 'réseau' intsony mihitsy vao dilan'i BELOBAKA, ary mandritra ny andro vitsivitsy. Tsy mazava tamiko, ary tsy mazava t@ ilay orin'asa ny tsy nisian'ireo mpitsena anay. Any 'zany !!!

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Ilay fiaranay : Belobaka - Borne, andro faha 2 / en rollover : Belobaka
Mponina eny @ Bongolava - Ramy zandriko sy Ravo
Fony mbola manga ny lanitra - sary Jolay 2014

 

Manomboka eto no miditra an-tsehatra tsikelikely ANDRIAMANITRA. Mbola nazava tsara ny andro, mbola manga ny lanitra. Tao an-tsenan'i BELOBAKA dia nifanena tampoka t@ olona nahafantatra ahy aho. Tonga dia nisariaka tanteraka tamiko izy. I Pédôre no anarany, ary niaraka t@ zaodahiny izy, avy nanatitra olona tao BELOBAKA angaha ? Avy any ANKAVANDRA ry zareo ary andeha hody hiverina any ANKAVANDRA. Marihina fa any, dia dia an-tongotra lavitra dia lavitra foana no tsy maintsy ataonao ( raha tsy hoe manana 'hélicoptère' angaha ianao ). Izahay kosa, andeha ho any ANKAVANDRA avy eo dia hanohy ny dianay @ lakana mihazo ny RENIRANON' i MANAMBOLO ( izay renirano be voay ). I Président Hajason no efa nentiko tany ( Président-nay ao @ SA AFF FJKM Ankadifotsy ). Salama hoy i Pédôre tamiko falifaly, tsy tadidinao ve aho ? Ahoana ity tonga tampotampoka ity ? Tadidididiko ihany ise hoy aho. Fa nankaiza ny mpitsena ahy ? Hoy aho. Izaho izao mihevitra hoe ise no tonga hitsena ahy ! Tsia ! Hoy izy, vao omaly aho ( sa afak'omaly ? ) no niala tany ANKAVANDRA fa tsy voasoratra any mihitsy hoe ho avy ise. Tsy misy mpitsena izany ise, sady tsy hisy mpitsena !! Tsy 'normal' mihitsy izany hoy aho. Andao fa ho entiko fiara ianareo mirahalahy hoy aho hatreny @ BORNE, dia ataoko mpitondra entana ( 'porteurs' na 'dockers' ) raha tena tsy misy mpitsena tokoa aho, nefa inoako fa efa eny @ BORNE izay ry zalahy mpitsena ahy, inoako izany. PS : manomboka eo BELOBAKA hatrany @ BORNE dia tena faran'izay ratsy ny lalana ka tsy tonga any raha tsy fiara 4x4 matanjaka miaraka @ mpamily efa za-draharaha. Misy fiampitana rano in-droa izay ( dia ny reniranon'Ankaramena sy ny reniranon'Itondy ), ka matetika dia milevina ao foana izay fiara tonga any. Na dia efa entina daholo aza ny angady sy ireo vy be roa fatao ambany kodiarana ( 'passerelles' roa ). Tsy fantatro hoe fa maninona no atao hoe BORNE ny anaran'io toerana io fa dia tsy misy tanana intsony any ary eo @ BORNE no farany azon'ny fiara 4x4 matanjaka aleha.

Dia niampy azy roalahy izahay tao anaty fiara. Ny marina dia napetraka tany ambony 'porte-bagages' izy roa lahy satria tsy nisy intsony ny toerana tao anatin'ny fiara. I Pédôre sy ny zaodahiny no nalefan'ANDRIAMANITRA ho ahy, ho anay. Tsy nisy nandefa an-dry Pédôre fa dia ANDRIAMANITRA mivantana no naniraka azy ireo ho ahy. Tsy dia tadidiko akory i Pédôre, fa taorian'io izy vao tadidiko tsara @ izay. Izy kosa tena nahafantatra ahy : 'Ravo' hoy izy falifaly nahita ahy. Raha efa kely sisa izahay tsy ho tonga teny @ BORNE ( izay tany tsy misy 'borne', tany tsy misy tanana, ary tany tsy misy olona ), ny andro efa hariva be rahateo, dia nihananjombona be tampoka ny andro ; vetivety kely dia mainty tanteraka ny rahona. Volana Jolay io, ary tsy fisian'ny orana izany volana Jolay izany, fa dia izay no sitrapon'izy RAY ao ambony. Mainty be ary ny lanitra. Vao tonga izahay dia natsangana haingana ny trano-lay ( 'tentes' ).

Fa ity no tena tokony ho nampivarahontsana : tsy nisy olona na dia iray aza teo @ BORNE, izany hoe teo vao tena fantatro fa tsy nisy mpitsena aho. Atao inona moa ny mpitsena ? Hitondra ny entanay izay sady mavesatra be no maro dia maro, hitondra ny entanay mandeha an-tongotra 1 andro sy tapany ny ampitson'io, satria eo ny fiara no miverina mitodi-doha mankany Antananarivo. Dia an-tongotra indray andro sy tapany tsy miato io, mampitohy an'i BORNE sy ANKAVANDRA. Nalahelo ahy mafy ny mpamily sy ny zandriko ka nilaza hoe hatory hanampy ahy aloha dia rahampitso vao miverina. Tsy nanaiky tanteraka i Pédôre, ary niangavy ahy mafy ny hampody azy roa lahy. Hoy i Pédôre ( izay mahalala tsara ny any an-toerana, dia ny toetr'andro any sy ny toe-tany any ) : « Alefaso mody ny mpamily sy ny zandrinao Ravo, fa mahamay tanteraka ireo raha tratran'io oram-be io, ny lalana malama toy ny savony, sady miakatra be no midina be, mbola hiampita rano mahery ; alefaso mody farany izay haingana ireo Ravo ». Dia nanaiky aho ary nandidy ( satria nisisika ny hijanona hanampy ahy izy mirahalahy ). Vao lasa tsy lavitra akory ny fiara 4x4 dia nirotsaka nivatravatra ary nirotsaka naharitra ny oram-be. Tsy mbola nisy oram-be tahaka izany tany @ iny faritra iny ( ka niainako ). Maizin-kitroka ny alina ! Tsy afaka nahandro sakafo mihitsy izahay noho ny orana. Ka dia mofomamy 'cake' sy 'fromages' no natao sakafo hariva ho an'ny rehetra. Tsy nisy rano mafana azo nosotroina koa fa dia 'eau vive' no nasaina nosotroina. 'Dîner' hafa tanteraka ! Sakafo hariva tsy azo atao tanteraka izany raha @ asanay fa maha-voaroaka, fa dia izay no azo natao. Telo no 'tentes' natsangana : azy roa lahy ny iray ( dia i Pédôre sy ny zaodahiny ), ahy kosa ny iray izay toy ny mahazatra dia 'tente' misy ny entana rehetra : ny vary, ny laoka, ny 'légumes', ny voankazo sy ny PPN, sns. Miampy ny entako. Voatery nohadian'izy roa lahy t@ alim-be ary t@ oram-be ny manodidina ny 'tentes' telo hiarovana ny rano tsy hiditra any anaty 'tentes' ka ho mando ny fatorianay rehetra.

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Belobaka - Borne - sary Ravo 2011
Hiampita ny reniranon'Ankaramena
Matetika dia milevina ao avokoa ny fiara rehetra
Miakanjo mavo : Lepô, miakanjo orange : Lesefo

 

Dia alina ny andro, tsy nitsahatra ny orana. Natory ny rehetra, afa tsy izaho. Tsy nety nahita tory aho na dia niezaka mafy ny hatory aza. Fanaoko rehefa tsy mahita tory tahak'izao ny mivavaka matetika, dia nivavaka matetika aho. Nentiko amim-bavaka daholo izay azo nentina rehetra ( 'prière d'intercession' ary tsy hadino ny 'prière de louange' na ny vavaka fiderana sy fisaorana ). Dia nihanalefaka ny orana ary farany ( efa ho @ 11 ora alina ? ) dia nitsahatra. Nanomboka nanahy mafy ny @ tsy fisian'ny hitondra ny entanay aho. Saingy natoky hatrany hoe ANDRIAMANITRA hamaha ny olana, izay olana goavam-be mihitsy : tsy misy 'porteurs' !!! Dia nivavaka hatrany aho, satria tsy nety nahita tory. Tampotampok'izay, injany misy feo ao anatin'ny alina, feon'i Ramy zandriko io. Taitra be aho !!! « Ravo !? Matory angaha ialahy ? Vonjeo leitsy izahay sy ny mpamily fa latsaka ary anaty rano lavidavitra ary ilay fiara 4x4 a ! ». @ 12 ora alina teo ho eo t@ izay. Tsy nivaly ve ny vavaka nataoko ho azy roa lahy ? Asa ? Fa dia voa izany ny fiaranay, ary dia voa koa izany izy roa lahy. Dia nofohaziko ry Pédôre, dia niainga izahay 5 lahy ( i Ramy sy ny mpamily izay niaraka taminy, ry Pédôre sy izaho ). Vy lavalava kely izay no nentin'ny zandriko hoe hiadiana @ Dahalo raha sendra mifanena aminy ka raikitra ny tokoa. Marihiko fa io zandriko io dia mpivavaka be votom-pinoana toa ahy, mihoatra noho ny ahy aza ny finoany an'ANDRIAMANITRA. Dia an-tongotra lavalava ihany, ao anatin'ny alina mangina sy tena mamirifiry. Mamaky iny BONGOLAVA, 'zone' Dahalo iny. Dia nanao izay farany herinay teo izahay 5 mirahalahy hanarina an'ilay fiara 4x4 nivadika fa eee ! Mavesatra loatra ilay fiara 4x4 ka tsy nihontsona mihitsy. Nataonay mirahalahy ny vavaka henjana araka izay tratranay ( izy telo lahy hafa kosa dia inoana fa tsy Kristiana ). Niantso ny Anara-maherin'i JESOA KRISTY mihitsy aho, ary imbetsaka fa eee ! Tsy nihontsina mihitsy ilay fiara 4x4 nivadika tao anaty rano. Nandeha ny ora sy ny fotoana. Vizana tanteraka ny zandriko ka nianjera fotsiny. Efa ho t@ 3 ora sy sasany maraina. Nomeko vola izy mirahalahy dia voatery nilaozanay, ny fiara tsy nihontsona mihitsy na kely aza. Dia namonjy ny 'tentes' izahay sy ry Pédôre. Dia nahandro ny sakafo maraina, dia nazava ny andro, ireo natory tao @ 'tente' hafa tsy nahalala velively izay rehetra nitranga t@ iny alina iny ; tsy nahafantatra akory hoe voatery nilaozanay t@ iny alim-be iny anie ry zareo. Raha tsy izany izy ireo dia ho natahotra mafy.

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Mbola sary t@ 2011, reniranon'Itondy, Lepô akanjo mavo
Sary faha 3 : Jolay 2014 : Ravo sy Pédôre
I Pédôre hiazo an'Ankavandra
Izaho kosa hiandry 'porteurs'

 

Dinganiko kely aloha ny fitantarana. Nitohy tsy niato ny ahy ny vavaka nataoko ( ary nataoko ho an'ny rehetra, ho an-dry zalahy nivadika tao anaty rano, ho an'ny vady aman-janako any lavitra be any dia any Antananarivo, sns. ). Fa nanao ahoana ny nahazo azy roa lahy ? Raha tokony ho tafaverina ny andro J tany Antananarivo ry zalahy, dia ny andro J + 1 vao tonga tany. Dahalo maromaro ( jereo ny sary io ambany io ) sendra nandalo no niangaviana sy nomena vola hanarina ilay fiara 4x4 avy tao anaty rano. Tana-maro izany vao vita ilay izy. Hoy JEHOVAH ANDRIAMANITRA hoe : « Tsy hanehoako fahagagana 'miracle' aloha ianareo 5 mirahalahy @ ity, fa aleo handeha 'voie normale' ny zavatra, hampandaloviko eo ny Dahalo maromaro, dia tana-maro no hanavotra anareo, 'par voie normale' ». Dia avotra t@ farany ilay mpamily-ko sy i Ramy zandriko, tantara izany ka tantara. Mora tantaraina, fa sarotra ny niainana azy : ny tahotra, ny havizanana, ny tebiteby, ny ahiahy : ho tafavoaka ihany ve ity fiara 4x4 nivadika ato anaty rano ity sa tsia ? ANDRIAMANITR' O ! Tsy fantatro io niafaran-dry zalahy io raha tsy efa nihaona t@ zandriko tany Antananarivo aho andro maromaro taty aoriana.

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Nanampy an-dry Ramy ny Dahalo - Sary : Ramy 2014

 

Fa hiverenantsika ny nahazo ahy. Araka ny nambarako aloha dia nitohy tsy niato ny ahy ny vavaka nataoko. Tsy tonga h@ farany ny 'porteurs'-ko. Izy roa lahy monja no teo am-pelatanako. Tsy maintsy hitohy anefa ny dia. Nasaiko nalamin'ireo Vahiny ny entany, izany hoe : izay entany tena ilainy indray andro sy indray alina ihany no ho entiny, fa ny sisa TSY MAINTSY HAJANONA NOHO NY TSY FISIAN'NY MPIBATA ENTANA. Nanome toky aho fa TSY MAINTSY MAHITA 'PORTEURS' ARY TSY MAINTSY TRATRAKO NY DIAN-DRY ZAREO VAHINY. Raha @ maha-olombelona dia toky poak'aty io nomeko io ( sahala @ tokin'ny mpanao pôlitika ), toky tsy misy azo antenainao ! Tsy misy ! Fa angaha ianao mpamantatra ny ho avy no sahy hiteny hoe izao na izao ? Fa @ maha-Kristiana ny tena dia nahatoky tanteraka ny fandaharan'ANDRIAMANITRA aho ka sahy nanome toky an'ireo Vahiny. Ary dia natoky tanteraka koa aho. Dia izay. Dia ry Pédôre mirahalahy no nitondra ny fandrahoan-tsakafo sy ny sakafo indray andro sy indray alina sy ny 'tentes' roa sy ireo fitaovana fatoriana nilain'ny Vahiny. Mavesatra dia mavesatra izany entana izany Tompoko raha tsy azonao an-tsaina tsara. Mihoatra ny 30 Kg na mihoatra ny 50 Kg ho an'ny olona iray. Fa dia TSY MAINTSY IZAY NO IZY. Hisaorako tanteraka ANDRIAMANITRA fa dia nahafinaritra ny fiaraha-miasa t@-ndry Pédôre. Ary dia sakafo tena Malagasy no nataon'izy ireo ny atoandro sy ny alina, dia ... vary maina sy tsaramaso maina sa atody endasina izy izay tsy tadidiko tsara intsony. Tsy 'cuisinier professionnel' tsinona ry zalahy, tsy omeko tsiny. Tsy nisy resaka azo natao rahateo teny an-dalana rehetra, satria tsy miteny Vahiny ry zalahy, ary ry Vahiny tsy mahay teny Gasy. Na 'bonjour' sy 'manahoana' aza tsy hay !!! Dia lasa ry zareo. Tsy nisy nifampiresaka teny an-dalana, fa ny Vahiny miteny Vahiny, ary ry Malagasy miteny Malagasy.

Izaho kosa, satria mbola maro dia maro ny entana tsy zaka ka tavela, dia voatery niandry 'camp'. Niandry 'camp' irery tsy nisy an'iza an'iza ho namana. Tena tsy nanaiky TANTERAKA ry Pédôre hoe hiandry 'camp' irery eo aho. Lalana falehan'ny Dahalo eto hoy ry zareo ka ho fatifaty foana eto i Ravo. Tena toerana faran'izay mampatahotra eto hoy ry zareo, ka tsy mety mihitsy ny mijanona irery eto. Manana basy angaha i Ravo ? sns. Tsia hoy aho, tsy irery aho fa miaraka amiko NY TOMPO ( na dia toa tsy takatry ry Pédôre mihitsy aza ny tiako hambara, ary tsy takany hatramin'ny farany ), nasesiny ihany ny Dahalo, Dahalo. Tsy laitra notenenina moa aho, noho ny finoako NY ANDRIAMANITRO, sady izaho rahateo no mpibaiko fara-tampony aorian'Andriamanitra tany ( 'commandant de bord' no filazanay azy ). Sady gaga tanteraka ry zalahy no natahotra mafy no nalahelo ihany koa, ary voatery tsy maintsy nandeha sy nandao ahy ho irery. Dia lasa ry zalahy. 'Tente' iray sisa tavela teo dia ny 'tente'-ko, miaraka @ entana be dia be tao anatiny. Asa ? T@ 8 ora maraina angamba izay fotoana izay ?

Efa tsy natory mihitsy aho hatry ny alina tontolo, ary mbola nandeha tongotra mandroso sy miverina namonjy an-dry zalahy nivadika tao anaty rano. Ny saiko miady mafy dia mafy. Ny tahotra tsy nisy, fa ny saina no miady mafy. Ny tena irery an-tanin-Dahalo. Tsy basy, tsy antsy lava, ary tsy mahay miady rahateo. Mafy izany ka mafy, fa mora tantaraina. Niezaka ny hatory ihany aho sao ho vizana be, saingy tsy nety nahita tory irery mihitsy. Dia nivoaka tsindraindray avy tao @ 'tente'-ko aho nijery ny manodidina ; nangina tanteraka ny manodidina, na dia ny rivotra nitsoka aza tsy nisy ! 'Désert' hoy ny teny Vahiny : tsy nisy olona na dia iray aza, tsy nisy vorona nandalo, tsy nisy bibikely mihirahira. Na lalitra aza toa tsy tadidiko hoe nisy lalitra. Mahasorena manko ireny ka mora tadidy ny fisiany. Ny vitsika no hany namako teo, sy ... goaika roa nivezivezy. Nampatsiahy ahy an'i Elia Mpaminany raha nomen'ny goaika sakafo tany an'efitra io toe-javatra niainako io t@ izay fotoana izay. Saingy ny an'i Elia, ny goaika no nanome sakafo azy ; ny ahy kosa toa izaho indray no 'manome sakafo' ny goaika, izay fotsiny no tsy nitovizany. Dia IRERY TEO aho, tsy nisy azoko natao afa tsy ny nivavaka. Ny zanako, t@ io andro io, hanala fanadinana tena 'important' teo @ fiainany any Antananarivo any, andro Alatsinainy manko io andro io. Nirotsaka ny ranomasoko. Tsy noho ny tahotra, fa noho izaho irery ary tena irery any an-tany tsy fantatra, 'sans réseau'. JEHOVAH ANDRIAMANITRA irery no 'réseau' azoko nantsoina teo. Afaka fanadinana soa aman-tsara moa ny zanako tato aoriana ( valim-bavaka iray izay ). Mba tsy narary aho. Inona moa no nataoko irery teo ? Miandry 'porteurs' avy @ ANDRIAMANITRA satria ny entanay maro dia maro sady mavesatra dia mavesatra. Izaho rahateo nanome toky-kristiana fa tsy maintsy mahita 'porteurs' ary tsy maintsy manenjika ny dian'ny Vahiny ka mahatratra azy ireo ara-potoana. Sarotra tanterahina tanteraka izany Tompoko raha tsy azonao an-tsaina tsara. Fa dia finoana no nanomezako io Tokim-panantenana io. Finoana niainana. Finoana iainana. Tsy nisy nandalo mihitsy na dia Dahalo aza. Mety ho nisy Dahalo nahita ahy ihany tany ho any fa tsy hitako. Fa izany no maha-Dahalo ny Dahalo, izy mahita tsara anao, fa ianao kosa tsy mahita azy raha tsy efa manafika anao izy. Izaho sy ny goaika no nandany ny andronay teo, dia nisy ny maraina, ary nisy ny hariva. Tsy nahatelin-kanina firy intsony aho noho ny tebiteby ny @ mbola tsy fisian'ny 'porteurs'. Sambany aho teo @ fiainako no navelan'ANDRIAMANITRA ho irery toy izao ; navelany ho IRERY TANTERAKA. Saingy vetivety ihany izany.

Lalana falehan'ny olona moa io toerana nisy ahy io, koa isaorana ANDRIAMANITRA fa indreny nisy sivy lahy nandalo nony farany, efa t@ 5 ora hariva t@ izay. Avy any BELOBAKA ry zalahy ary ho any ANKAVANDRA. Tsy nisy Dahalo izy 9 lahy ireo, ary tsy misy 'porteurs attitrés' na iray aza. Izany hoe tsy 'porteurs' ny asany. Rehefa natao ny fifampiresahina dia nifanaraka fa ho entin'izy 9 lahy ny entako rehetra. 9 lahy vao nahazaka ny entako, heverinareo @ izany ! Aleo hoy ry zareo mahandro sy mihinana ny sakafo hariva aloha vao miainga. T@ 7 ora sy sasany hariva teo izahay no nanainga hanenjika an-dry Pédôre ( izay tsy maintsy hatory ).

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Sary 1° Toy izao ny lalana nalehanay, saingy t@ alina maizin-kitroka
Sary 2° Tao @ io ala-manga io no tratranay ry Pédôre
Sary 3° Ankavandra raha vao miditra ny tanana
James piroguier 'en rollover'

 

Dia namakivaky ny havoana sy ny lemak'i BONGOLAVA nandritry ny alina manontolo. Mampahatsiaro ahy an'ilay 'série terroristes' atao hoe '24 heures chrono ' an'i 'Jack Bauer' ; tsy misy tany hatoriana mihitsy, na hialana sasatra kely akory aza tsy misy ( eny fa na ny fotoana hi-pipizana aza tsy misy hoy ilay Vahiny vavy iray mahafantatra an'io 'série terroristes' io ). Efa tsy natory aho ny alin'io, mbola raikitra indray ny dia an-tongotra, sady dia maimaika satria hanenjika an-dry Pédôre izay efa lasa lavitra dia lavitra tokoa. Dia tao anatin'ny aizin-kitroka, satria tsy nisy volana ary tsy nisy kintana ary tsy nisy jiro ( na 'torche' ) ; TSY AZO ATAO RAHATEO NY MANDREHITRA JIRO NA TORCHE @ ALINA MBA TSY HO HITAN'NY DAHALO AVY LAVITRA IANAO KA HO MORA TIFIRINA. Nanana jiro ihany aho, saingy tsy azo nampiasaina izany noho ny tsy fandriam-pahalemana. Tonga dia mety ho voatifitra avy lavitra ianao raha vao mandrehitra jiro, na dia 'briquet' aza. Ny lalana misy fotoana kitoantoana fa tsy hoe milamaka be foana. Tampon-tanety no vakivakiana, @ alina no nanaovanay an'izany. Maizin-kitroka ny alina fa dia tsy maintsy mandeha. Zara aza nanaiky handeha hitondra ny entana izy 9 lahy izay tsy misy fantatro na ny iray aza, ary tsy nisy nahafantatra ahy na ny iray aza. Fa dia ANDRIAMANITRA no tokiko dia ampy ahy izay !!!

« Mamon'ny torimaso ianao izany Ramose » hoy ry zalahy tamiko rehefa tokony ho t@ 11 ora alina teo ho eo. Efa mivilambilana be ihany ny fandehako noho ny faharerahana sy ny tsy natoriana mihitsy indroa alina misesy izao. Ny hatsiaka mamely dia mamely ao anatin'ny aizina tanteraka. Efa nanomboka imbetsaka aho no saika nitsingidina fotsiny ( toa ilay rahalahiko talohan'io ). Misy fotoana aza aho tafintohin'ny 'termitières' na votry izay tsy hitako intsony noho ny faharerahana. Dia najanoko aloha ny dianay. Teo an-tampon-kavoana mihitsy t@ izay. Havoanan'i BONGOLAVA, tsy misy na inona na inona afa tsy vato sy tany ary 'termitières' be dia be, miampy bozaka. Dia teo no natory ; samy nitsilailay teo na samy nivonkombokona ohatr'ahy ( noho ny hatsiaka ). Dia natory aho. Ny kitapo feno vola no natao ondana. Ny 'blouson' teny an-koditra no lamba firakotra. Ary tany sy vato kosa no lafika fandriana ; mangatsiaka be izany an, sady mafy be tsy toy ny kidoro. Ny tafo moa dia tafo lanitra, ary mba efa niseho ny kintana t@ izay, fa ny volana kosa tsy nisy. Teny an-tampon'i BONGOLAVA izany tantara izany no niseho. Fotoana fohy monja no natoriana satria tsy maintsy hanenjika an-dry Pédôre noho ny toky nomeko an'ireo Vahiny. Dia niainga indray ; izaho ihany no namoha an-dry zalahy. Ny sasany tena resin-tory mihitsy tao anatin'ny hatsiaka mamirifiry eny an-tampon-kavoana. Mbola tadidiko izay toerana izay. Isaorana IZY ANDRIAMANITRA fa nilamina ny dia ; tsy nisy Dahalo nanakantsakana na nanafika anay teny am-pandehanana. Isaorana IZY ANDRIAMANITRA fa nomeny 9 lahy tena nazoto aho, ny vola fitady rahateo any @ ireny toerana ireny, ny lalana iraisana rahateo, ny entana tsy dia mavesatra loatra toa ny an-dry Pédôre ( izay isan'ireo 'porteurs attitrés' ). Isaorana IZY ANDRIAMANITRA fa tratranay ny 'camp' nisy ireo Vahiny t@ 4 ora maraina. Dia natory kely aloha izahay rehetra, ka ny moka no namanay t@ izany. Moka izany, moka izany ; nisy ala-manga rahateo teo @ io toerana natorianay io ( fa tsy maintsy mamonjy rano ny 'camp' ahafahana mahandro ny sakafo ; koa rehefa misy ala manga dia misy rano kely izay ao ). Saingy rehefa milsy ala manga koa dia tsy maintsy misy moka sy ... bibilava ( menarana na 'Leioheterodon madagascariensis' io @ ankapobeny ). Vetivety foana dia tsy henoko intsony ny moka maro nanaikitra fa resin-tory tanteraka aho sady vizan'ny dia an-tongotra. Dia nihinana anay ny moka sady faly dia faly. Dia tsy maintsy nifoha indray aho t@ 6 ora maraina, namoha an-dry Pédôre hikarakaranay ny sakafo maraina na 'breakfast'. Dia vonona tanteraka ny sakafo, nifoha ny Vahiny, nisasa dia nihinana, faly ery nahita hoe tonga ihany izahay. Dia an-tongotra izany, dia an-tongotra izany. Faly aho fa tratranay ry Pédôre. Tsy nandiso fanantenana ny toky nomena, isaorana tanteraka IZY ANDRIAMANITRA.

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Dahalo ireo mitondra basy ireo, izaho kosa miakanjo mena
Sary 3° Ravo eny @ Manambolo, sary t@ 2017

 

Nanomboka teo dia nilamina tanteraka ny dia, niditra an'ANKAVANDRA izahay rehetra t@ fotoana tsy diso. Ohatran'ireny tsy nisy na inona na inona ireny. Ary dia gaga be ny tao ANKAVANDRA nahita anay, izay « tsy nampoizina ». 9 lahy izahay, miampy an-dry Pédôre 2 lahy, miampy ahy, ary miampy ireo Vahiny nentiko. Tsy nisy nampandre mihitsy hono ny tany an-toerana ( ny tao ANKAVANDRA ) hoe ho avy aho ka tokony ho tsenaina tany BELOBAKA. Izany moa dia zava-pitranga raha eto Madagasikara no miaina. Tsy nasiako olana izany fa ny fisaorana an'ANDRIAMANITRO no nataoko mafimafy. Dia norafetina ary ireo hitondra ny lakanay 'piroguiers' no fiantso azy ireo. Ireo koa dia 'piroguiers professionnels' daholo. Mpamboly izy ireo rehefa tsy misy Vahiny. Ary mandeha 'tour' ny fandehanany, na ny marimarina kokoa dia mandeha 'tour ... truqué'. Fa izany moa ny eto Madagasikara. Tsy izaho akory no mi-'truquer' ny 'tour' sao tsy mazava aminao ny resaka. Mandray izay 'piroguiers' omena ahy fotsiny aho, ary dia tsy tao anaty 'liste' intsony i Pédôre na dia niangavy mafy ny tompon'andraikitra tany an-toerana aza aho hampidirana azy ho ao anaty 'liste'. Dia nisaraka izahay, vita ny asany, vita ny nilain'ANDRIAMANITRA azy dia ny hanampy ahy t@ ady mafy sy sarotra, isaorana tanteraka NY TOMPO. Ny harivan'io ihany dia efa teny ambony lakana izahay nandao an'ANKAVANDRA hiazo an'i BEKOPAKA ( izay misy ny TSINGIN'I BEMARAHA ). Efatra andro eny ambony lakana foana. Adiny 6 isan'andro mamoy lakana, na Malagasy, na Vahiny. Adiny 3 ny maraina ary adiny 3 ny hariva. Dia mamelatra 'tentes' rehefa tonga ny hariva, dia mangorona 'tentes' rehefa hiainga ny maraina, dia ohatran'izany foana. Mandreraka sady mahafinaritra izany Tompoko. Indray mandeha izay aho tratran'ny 'lombalgie' na ny aretin-damosina, tena narary mafy dia mafy aho t@ izay. Ny tany, tany tsy misy dokotera, tsy misy fanafody, tsy misy afa tsy vavaka e !

Tapitra ny tantara, tapitra ny fijoroako vavolombelon'ny fitondran'ANDRIAMANITRA. Ireto dia tsetsatsetsa tsy aritra fotsiny sisa. Omeko anarana vitsivitsy ianao mpamaky ( raha te hanamarina hoe tena nisy ny tantarako raha sendra mandalo any ANKAVANDRA ianao indray andro any ). Anisan'ireo 'piroguiers' any ry Lesefo, ry Lendafy, ry Levao, ry Levelo, ry Ledada, ry Lembitsy, ry Lefaly, mbamin-dry Lemena. Saika izy rehetra dia mahafantatra ahy daholo. Anisan'ny nahafinaritra ahy tokoa i Lemena na dia mpiteny ratsy tanteraka aza, mpanompa olona foana, niezaka nitory ny filazan-tsaran'i JESOA KRISTY taminy ihany aho, saingy tsy nety hitako intsony izy taty aoriana. Nahafinaritra tokoa i Lemena ankoatry ny teny ratsiny. Nifankatia tokoa izaho sy izy. Tsy mbola nahazo ompa taminy aho izany. Fa ireto no tena 'piroguier-personnel' ahy ankafiziko : i Eric na i Lepô ( izay nitoriako imbetsaka ny filazan-tsaran'i JESOA KRISTY ), i Vavany ary i James ( jereo ny sary etsy ambony ). Sakalava sy Antefasy ary Korao daholo moa ry zalahy sy ny ankamaroan'ny olona mipetraka any ANKAVANDRA. Mpisambotra voay malaza ny sasany @ ry zalahy 'piroguiers' ireo, indray mandeha aho no nanatri-maso izany fisamborany voay izany -fantaro ny zavatra rehetra hoy Ny Soratra Masina, ary hazony mafy izay tsara- ; tsy maintsy @ alina foana no fisamborana ny voay fa tsy mahazo voay ianao raha atoandro. Marihina fa ny ankamaroan'ny mpisambotra voay dia efa manao ody voay. Fa izay no maha-Malagasy ny Malagasy : ny ody. Ny an'ny Kristiana kosa dia ANDRIAMANITRA ihany, ka tsy mandany andro hisambotra voay izany ny Kristiana. Toy ny manjono ny misambotra voay, raha efa nanjono ianao, izany hoe mila faharetana, ary @ alina io faharetana io. Izaho kosa tsy mba manana an'izany faharetana izany, indrindra moa fa vao maika ... @ alina ! Saika tafatory teny ambony lakana aho raha nandeha hisambotra voay t@ alina izahay t@ izay, imbetsaka aho no nironjona teny ambony lakana ka efa saika latsaka tany anaty rano misy voay @ alina. @ sisa, rehefa alina, dia aleoko lavitra matory toy izay misambotra voay. -souvenirs, souvenirs-.

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Ny lakan'ny orinasa sy ny lakan'ny mponina any

 

Fony aho nanao voalohany an'i MANAMBOLO ( mbola nisy ny fiaramanidina an'i AIR MADAGASCAR t@ izany nampitohy an'i TSIROANOMANDIDY - ANKAVANDRA, fa taty aoriana vao novana ho dia an-tongotra ), dia i Tafika izay no anaran'ilay 'piroguier-ko personnel. Mbola tadidiko tsara i Tafika. Hay Dahalo gaigilahy i Tafika ! Efa tsinjotsinjoko ihany izany raha nitondra ahy izy satria dia FANTANY DAHOLO ity olona rehetra mifanena aminay eny @ reniranon'i Manambolo, ary dia arahabainy sy resahiny daholo. Hany ka tara foana izahay dia manenjika foana, mamoy ny lakana avy eo. Ny taona 2000 io taona io. Izany hoe 14 taona talohan'ity tantara ity. Ary dia maty voatifitry ny zandary t@ alalan'ny fifanenjehana moa i Tafika tato aoriana. Mpilalao ody gasy sy ody mahery izany Tafika izany, ary Dahalo nikoizana sy fanta-daza tao ANKAVANDRA. Niaraka tsara izahay sy i Tafika t@ izany, ny toaka sy ny vehivavy ihany no tsy niarahanay sy i Tafika. Faritra tena mpisotro toaka gasy mahery sy faritra mpilalao vehivavy ary hanjakan'ny fijangajangana tanteraka i ANKAVANDRA. Ny niafaran'ny dianay ? Naredona ny hiran-dry zalahy 'piroguiers'-ko teny ambony lakana teny ambonin'ny reniranon'i MANAMBOLO ; falifaly tokoa ry zareo, ka namoronany hira mihitsy aho. Ny feony dia ilay feon'ny hiran'i Jerry Marcoss manao hoe « AYA AYA » ; « Aiza tany misy anao Chérie ? AYA AYA ! Antsika handeha vacances à Paris AYA AYA ! OY OY ! AYA AYA ! OY OY ! AYA AYA ! », fa ny tonony no novain-dry zareo ary nataony miady rima tanteraka sy mampientanentana tokoa, saingy tsy tadidiko intsony fa sahalahala @ izao : « I Ravo no guide-anay AYA AYA - Guide-anay izay tsy nampoizina AYA AYA - Izahay no 'piroguiers'-ny AYA AYA - 'Piroguiers'-ny tsy nampoizina AYA AYA - Ety @ Manambolo no fiainanay AYA AYA - Miaraka @ Ravo izay guide tsy nampoizina AYA AYA ! OY OY ! AYA AYA ! OY OY ! AYA AYA ! ... ». Dia izay sy izay ny @ iny tantara lava dia lava iny. Nohezahiko notantaraina @ antsipirihany tanteraka miaraka @ fihetseham-po izay tato anatiko, fa tiako ny mamerina indray hamaranana azy, ilay Tenin'ANDRIAMANITRA, tsy maninona izany, izay manao hoe :

 

 

Fahatokian'izay manana an'i JEHOVAH ho Mpiaro azy ( antsoina koa hoe : « Le Psaume des voyageurs ; Psaumes 121 » )

Manopy ny masoko ho @ tendrombohitra aho ; avy aiza ny famonjena ahy ? Ny famonjena ahy dia avy @ JEHOVAH Mpanao ny lanitra sy ny tany. Tsy mba avelany hangozohozo anie ny tongotrao ; tsy ho rendrehana anie ny Mpiaro anao. Indro tsy matory na rendrehana Ny Mpiaro ny Israely. JEHOVAH no Mpiaro anao ; JEHOVAH no fialofanao eo @ ankavananao. Ny masoandro tsy mba hamely anao nony andro, na ny volana nony alina. JEHOVAH hiaro anao @ ratsy rehetra ; eny, hiaro ny fanahinao Izy. JEHOVAH hiaro anao, na mivoaka na miditra, hatramin'izao ka ho mandrakizay. Amena.

Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary Bongolava, Belobaka, Ankavandra, Manambolo, Madagascar - fijoroana vavolombelona - AFF - Tafika Masina - FJKM Ankadifotsy - Ravo.Madagascar, Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary
Ireto dia sary efa taloha ela be, fa mba ho fahatsiarovana fotsiny
Sary 1° : fony mbola mainty sy fotsy ny sary : Tafika sy Ravo, taona 2000
i Tafika ilay Dahalo gaigilahy maty voatifitra - Sary 2° : 'vue aérienne' Manambolo
Sary 3° : Lemena, izay tsy nety hitako intsony taty aoriana, nefa notadiaviko foana
Tongako hatrany an-tranony tao Ankavandra indray andro izay, fa tsy tratrako tao

 

C'est quand le chrétien traverse, dans la paix, des circonstances difficiles voire très difficiles, que son témoignage devient particulèrement crédible ( que l'on peut croire ). Ensuite c'est en connaissance de cause qu'il peut encourager les croyants ou parler aux inconvertis de la réalité de la bonté de DIEU ( Plaire au Seigneur, fin Décembre 2020 )

 

I trust in God's love, I believe in His promise, God's love never changes - Ratsimbazafy Ravo Nomenjanahary na i Ravo.Madagascar, webmaster de Pensée Chrétienne

           

 

 


Fihirana FFPM 808
Eo an-tratranao Jesôsy

 

RATSIMBAZAFY Ravo Nomenjanahary
Courriel : r_ravo@hotmail.com
Tél. ++ 261 32 41 063 65

 


The Christian Counter

 

Ce site est

 
Mission d evangelisation à Madagascar, Morondava par l AFF du SPIA 19, Synodamparitany Iarivo Avaradrano, FJKM church
Mission d evangelisation à Madagascar pour les enfants, Hetsika Voantsinapy du FMBM : Fikambanana Mpiara-Mamaky ny Baiboly Malagasy
A la decouverte de Madagascar, photos : Ravo.Madagascar webmaster de Pensee Chretienne
Pensee Chretienne : DIEU nous aime, sur ce fait s appuie la Foi chretienne
Ravo.Madagascar webmaster de Pensee Chretienne